Ny ban-kira “Country” hahenoana ilay feon-gitara mitaraina miampy feon’olombelona voarindra sy voazara amin’ny fomba manara-penitra. Io no endrika taokanto entin’ny Groupe Heliot midera ny Ray. Ny volana janoary 2014 no teraka ny tarika. “Andriamanitra mahery”, DVD voalohany ho an’ny Groupe “Heliot”. Misy rindran-tsary miisa 10. Anisan’ny mandrafitra azy ity ny “mangataha dia omena”, “Jesosy irery ihany”.
Misokatra amin’ny fiaraha-miasa ho amin’ny asa fitoriana ny tarika. Miavaka amin’ilay tononkira mahitsy toraka narindra amin’ny endrika kanto sy fanamiana maroloko izy 15 mianadahy anatin’ny tarika Heliot izay manana ny foibeny etsy Ankadindramamy.
Maro tamin’ireo nanjifa ny taokanton’ny Groupe Heliot no resy lahatra noho ilay tononkira mambabo fo sy mitarika ho amin’ny fitadiavana mandrakariva ny Tompo anatin’ny famakivakiana ny lalam-piainana eto amin’ny tany fandalovana. Manohy hatrany ny fanjohina ny lalan-tsarotry ny mozika sy ny hira mitaiza fanahy ny tarika ho fanabezam-bohjo ny vazo evanjelika.
