GROUPE « YOUNG MESSENGER PRAISE » : Tanora mitory an-kira sy mifampitaiza

Ny taona 2019 no namoronan’Andriamihaja Daniel (mpitendry, mpamorona sy mpandrindra hira) ny groupe « Young Messenger Praise ». Tanora lahy sy vavy miisa manodidina ny 20 resy lahatra noho ny bitsika tsy hay tohaina ao anatin’izy ireo ny amin’ny ampiasana ny talenta ho amin’ny asa fitoriana amin’ny alalan’ny hira sy ny dihy no mandrafitra ny « Young Messenger Praise ». Mirona kokoa amin’ny famolahana ny « gospel » izahay, hoy i Daniel saingy re hatrany ary mivoitra any anatin’ireo sanganasa ny maha malagasy eo amin’ny sehatry ny fitendrena zavamaneno sy ny fomba nanajariana ireo tononkira. Misandrahaka amin’ny gadona maroloko (Milamina sy mihetsika) ny tarika mba ahafahana mampita ny hafatra ho an’ny sokajin’olona rehetra tsy eto an-tanindrazana ihany fa hatrany Dilambato.

Ankoatry ny fandalinana tsy ankiato ny lafiny mozika. Mampiavaka ny Groupe « Young Messenger Praise » ny fisian’ny fanabeazana ara-panahy amin’ny alalan’ny fandalinana ny tenin’Andriamanitra sy ny fizarana « partage » ity farany izay manome sehatra ny mpikambana hizaran’izy ireo ny olana mety ho tojo azy eny anivon’ny fiarahamonina ka itadiavana miaraka ny vahaolana sahaza azy ireny. Azo ambara ho « Sekolin’ny fiainana » tokoa, araka izany, ny « Youg Messenger Praise » Ampahany amin’ireo asanganasa efa tsy afaka am-bavan’ny maro nahafantarana ny tarika ny « Mila anao » sy ny « Mandondona » Andalam-piketrehana ny sanganasa vaovao sy ny hametrahana ny lafiny fandalinana ny dihy ankehitriny ny « Young Messenger Praise ». Misokatra malalaka amin’ny fiaraha-miasa rehetra hanabeazam-boho ny asa fitoriana izy ireo.

Vous aimerez aussi