MFCIE : Miantso ny olom-pirenena rehetra

Miantso ny olom-pirenena rehetra ho tonga eny amin’ny Magro  ny Hetsiky ny olom-pirenena miady amin’ny hosoka sy ny hala-bato (na ny MFCIE) rahampitso sabotsy amin’ny 10 ora.
Mitombo hatrany manko ny fahitana ireo porofo mivaingana tamin’ny tsi-fanarahan-dàlana nandritra iny fifidianana kaominaly teo iny.
Porofon’izany ny fahatongavan’ireo kandidà nametra-pitoriana eny anivon’ny Fitsarana misahana ny raharaham-panjakana.

Kandidàm-panjakana mizara « kit scolaire »

Anisan’izany ny kandidà tao Ambohimanga Rova, Naina Rasamison, izay nitondra porofo ho nahita ny kandidàm-panjakana  nizara « kit scolaire » ho an’ny mpianatra, toy ny kitapo, izay ahitana soratra « Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena ». Tsy ny mpianatra mivantana anefa no nahazo izany fitaovana izany fa ny ray aman-dreniny, izay mbola hanontaniana raha mifidy marina ary alaina ihany koa ny anarany. Heverina ho fandemen-tsaina izany ary mifanohitra amin’ny lalàna, hoy izy. Eo ihany koa ny fanambazana  ny sefom-pokontany sy ny lefiny, amin’ny fitondrana azy ireo nitsangatsangana tany Mahajanga. Heverina ho fanomanana sahady ny hala-bato hatao izany, hoy ity kandidà mitory ity.

Andrasana ny Fitsarana mahefa

Noho izany, miantso ny vahoaka ry Christian Tabera, anisan’ny mpikambana amin’ity Hetsika ity, mba ho tonga hitaky ny fahamarinana, amin’io andron’ny rahampitso io.
Andrasana, araka izany, ny famalian’ny Fitsarana misahana ny raharaham-pirenena manoloana ny tatitra, izay nataon’ny CENI tamin’ny tsi-fahatomombanana rehetra hitan’izy ireo sy ny fitoriana natao. 

Vous aimerez aussi