Milaza ny heviny ny Mpijery fahitalavitra

Ny zavatra tsapako t@ ilay émission :

« misaotra an’i Gascar FenosoaAbraham Razaf nanatontosa ny asan’izy ireo »

MATOA AHO MITENY DIA TE HANANA NY TSARA!

Ho an’i Filoha Andry Rajoelina:

– Aoka ianao hitandrina Andriamatoa Filoha amin’ny manodidina nao satria 70% données statistiques zay navoaka dia tsy marina avokoa. Tsy misy fake site tompoko ny banque mondiale. Les données sont là

– Aza afangaro tompoko ny origine sy nationalité : Barack Obama tompoko origine kenyane fa tsy manana nationalité afatsy Américaine. Jerevo ny famaliana nataony Barack Obama an’i Donald Trump momban’io resaka io

– Ho an’i Nelson Mandela indray dia tsy voafaritra ao anaty lalana velona misy ao Afrique du Sud ny fanana doublé ou triple nationalité. Fa ny antsika gasy dia mazava tsara.

– Mikasika ny fianarana any Ivelany. Afaka manao renouvellement titre de séjour isantaona ny mpianatra rehefa mbola hanohy fianarana ary misy vokatra tsara. Ary tsy tokony hafangaro ny NATURALISATION sy FILIATION.

– JIRAMA tompoko dia misy vahaolana fa tsy raisina izany. Aoka ny Ministère hijery Izany Satria efa ao amin’izy ireo ny vahaolana izay naroso.

– La vanille ihany koa dia misy vahaolana fa Aoka isika hahay handray sosonkevitra

– Misy ihany koa ny continuité de l’Etat. Tsy mahadiso ny miteny ny fotodrafitrasa izay notokananao Nefa kosa Aza hadino fa nisy ezaka izay vita teo aloha. Ex: Ambilobe – Vohemar…Satria izay mandimby anao dia tokony hanonona ny anaranao raha misy ny asa izay natombokao.

– Eo ihany koa ny fandraisana ohatra ao Afrika mikasika ny inflation. Tsara marihina ihany koa dia tokony atao corrélation miaraka @ taux de croissance izy io fa tsy raisina fotsiny @ singany. Raisiko ohatra ny Sénégal izay nolazainao.

– Araka ny fanomanana ny fandaharana dia bilan no natao zany hoe mibahana kokoa ny resaka politika. Aoka re tompoko mba tsy hatao politika ny tafika. Gaga ary talanjona ny Tena raha nahita officiers généraux mitehaka ary nitsangana mihintsy aza nandritra ny fanehoankevitra politika. Chef suprême des armées ianao Andriamatoa Filoha fa tsy chef suprême rendre les armées politiciens.

– Ao ihany koa ny resaka momba ny caution 200 millions d’ariary. Andriamatoa Filoha, nanamafy ianao fa tsy mila mandalo conseil des ministres ny décision ny gouvernement mikasika ny fifidianana. Ketraka ny Tena satria nisy ny fanitsiana ny loi organique 2018-09 sy 2018-08 mikasika ny adininy vitsivitsy anisan’izany io caution io. Tsy tokony handalo conseil de ministres sy parlement ve izany fa vitan’ny conseil de gouvernement ?

– Marina ihany koa ny teninao Andriamatoa Filoha fa 1400 milliard d’ariary ny subventions omena ny JIRAMA ary izay 80 milliard d’ariary ve dia tsy ho hitany Fanjakana hikarakarana fifidianana ? Ka ny mahagaga dia ny mbola angatahantsika Basket Fund raha manana io vola io isika. Fa maninona tsy tonga dia nosoratana en totalité tao @ LFI rehefa tsy nanao LFR ihany? Satria tsy misy io vola io ary ny subventions JIRAMA dia miankina ihany koa @ PTF.

– ho anareo parlementaire izay nanatrika! Mitenena ny marina @ Filoha ianareo izay marary ny vahoaka nifidy anareo Satria Aoka mba ho Tena solombavambahoaka ianareo ary mendrika izany toerana izany.

– Ianareo Ampanjaka, lonaka, olo-be. Mijoro ary sahia miteny ny marina, rariny sy ny hitsiny mba hafantarany Filoha ny zava-misy marina. Tsarovy ny tantara fa ny fitondrana izay nirodana erantany dia voafahandalitra ny olona akaiky ny Filoha daholo Ka Aoka ianareo hitondra ny teny tena izy.

– Vao nanaomboka ny fandaharana dia hiram-pivavahana no nanombohana azy. Andriamatoa Filoha, tao @ lapam-panjakana Izany ary fantatsika ny ao anaty lalam-panorenana mikasika ny atao hoe « Laïcité ». Tsy manakana antsika tsy hino Izany fa dans le cadre privé Nefa discours de l’Etat no natao. Ankoatr’izay dia rehefa natao ihany dia tokony mba nasaina koa ireo filoham-pinoana misy toy ny FFKM, Silamo,…

– Farany Aza hadino ny manavaka ny URGENT sy IMPORTANT

Mankasitraka !!!

Vous aimerez aussi