MPANAKANTO LOVA INÈS : Mivoy ny “Kilalaky jihea karitaky”

Ny fiandohan’ny taona 2019 no tapa-kevitra hamondron-kery sy talenta izy 14 mianadahy, ahitana, mpandihy, mpihira ary mpitendry mandrafitra ny tarika Lova Inès.

Anisan’ny nahafantaran’ny maro an’I Lova Inès lehiben’ny tarika mpandala ny vakomanitra Malagasy ity ny namoronan’ny tovolahy ilay hira “Madagasikara miatrika ny coronavirus”, nanentanana ny Malagasy ho mailo amin’ny fipariahan’ity valanaretina efa nahalavo aina maro ity.

Lova Inès, tsy misaraka amin’ny Kabôsy.

Manandratra ny nentin-drazana, mikaroka

Resy lahatra ho amin’ny fanandratana avo ny mozika nentim-paharazana sy ny kolontsaina ary soatoavina mampiavaka ny faritra Ihorombe toy ny “kilalaky jihea karitaky” ny tarika.

Miompana manontolo ho amin’ny fitadiavana ny marimaritra iraisan’ireo gadona, fomba fandihy, fihira, nolovaina tamin’ireo razambe, araka izany, ry Lova Inès. Ampahany amin’ny voka-pikarohana efa tontosan’izy ireo ny nahafahana nanajary ny “kilalaky jihea karitaky. Mibahana kokoa ny fanheoana ny kilalaky saingy mivoitra eny antsefatsefan’ireo vazo eny ihany koa ny jihea sy ny karitaky soradihy mampiavaka ny faritra Ihorombe.

Miisa 10 ireo sanganasa efa vita rindran-tsary “Clip” ary 20 ireo voarakitra feo. Ankoatry ny fizarana fahafinaretana amin’ny alalan’ny mozika voizin’izy 14 mianadahy dia tsy adinon’izy ireo hatrany ny mamafy ilay hafatra mafonja anaty tononkira hanjary ho toy ny vatsin-dalana sarobidy henti-mamakivaky ny lalan-tsarotry ny fiainana an-tany.

Velom-pisaorana ireo rehetra tsy nikely soroka nanampy azy hatramin’izay ho amin’ny fikirakirana ny mozika I Lova Inès ziay monina any Ihosy ary mbola manentana hatrany ireo tsara sitra-po resy lahatra fa mila hasandratra sy hampahafantarina ireo taranaka ny kolontsain’ireo loharano nipoirany. Raha tanteraka, izany fanoitra ho amin’ny fampandrosoana tokoa ny zavakanto toy ny mozika.

Vous aimerez aussi