MPANAKANTO « TIGAH » : Manabe voho ny mozika hatrany

Ny mozika rap sy ny mozikan’ny Tanàn-dehibe « Musique urbaine ». Ireo no toy ny anjomara mafy nanaitra ny fitiavan’i Tigah ny mozika, tany amin’ny taona 2005 koa nahatonga azy niditra lalina tamin’ny fikirakirana niampy fandalinana hatrany ny manodidina ny habaky ny zavakanto an-kira sy mozika. Tsy nitsaha-nitombo an-dalana tahaka ny Dian’andriana izany taty aoriana kely ka roboka niangaly ny « vazo miteny » ihany koa ny tovolahy. Ity farany izay Zanaky ny Tanànan’ny Tangainony, anisan’ireo Tanàna ambanivohitra, mandrafitra an’ny Farafangana ary naha lehibe an’i Tigah.

Ny taona 2015 no tapa-kevitra i Tigah fa ifototra tanteraka amin’ny famolahana sy fitrandrahana ny mozika tropikaly toy ny « Soukouss », « Sud af » ary hanandratra ny « Batrelaky » izay gadona sy fomba fandihy nentim-paharazana mampiavaka ny faritra atsimo atsinanana iny. Mampiavaka ny « Batrelaky » iangalian’i Tigah ny fitondrana fanatsarana tamin’ny alalan’ny fampiasana ireo zavamaneno vahiny tahaka ny vatamaroafitsoka, aponga maroanaka, gitara. Tsy manimba na manova ny « fanahy » raiketin’ny « Batrelaky » izany, hoy i Tigah fa vao mainka aza mampitombo kokoa ny fitiavan’ireo mpankafy azy.

Ireo trangam-piainana andavanandro eny anivom-piaraha-monina no tefen’i Tigah hanana endrika kanto ka hanjary tononkira mirakitra hafatra miendrika fanabeazana sahaza ho an’ireo rehetra « Liankanto » mipariaka manerana an’i Gasikara. Anisan’ireo hira nahafantarana an’i Tigah ny « Rakabotsy » voarindra tamin’ny gadona Mangaliba ary hahenoana feo miventy eny an-tsefatsefany eny sy ny « Afeta » ary vao tsy ela akory no namoaka ny « Artiste tsy afaka » ny tovolahy. Marihana fa manajary « Hira ara-pilazantsara » i Tigah ary mahafehy ny fitendrena kabôsy ihany koa.

Tsy nijanona tamin’ny fiangaliana ny mozika i Tigah fa efa manana ny « Teng’s prod » izay miezaka mampahafantatra ireo zandry kely manan-talenta any Farafangana amin’ny alalan‘ny fanatanterahana seho sy fitetezam-paritra. Tanjon’i Tigah ny hanatontosa « Festival » goavana isan-taona any an-toerana ho fampiroboroboana ny mozika ao Farafangana sy ny manodidina. Malalaka amin’ny fiaraha-miasa sy ny fifanomezan-tanana ny tovolahy.

Vous aimerez aussi