Tsy afa-bela amin’ny vokadratsy ateraky ny fisian’ny valanaretina covid- 19 eo amin’ny asa fihariana ataony ihany koa ireo mpanao hiragasy eto Analamanga. Voatery nofoanana avokoa noho ny tsy fahafahana mamory olona mihoatra ny 50 ireo fifanarahana rehetra efa vita, hoy ny avy eo anivon’ny fikambanan’ireo mpanao hiragasy, hivondronan’ireo mpanao hiragasy miisa 50. Vokany, tsy afaka mikarama ny tarika mpiangaly ny hiragasy ary sahirana amin’ny fiatrehana ny andavanandrom-piainana. Nanamarika ny vondron’ny mpihira gasy fa miaina anatin’ny fahasahiranana lalina toy ireo mpanakanto sy mpikarakara lanonana ihany koa izy ireo koa rariny sy hitsiny raha misitraka fanampiana avy amin’ny fanjakana. Andrasana ny vahaolana hoentin’ny avy eo anivon’ny Minisiteran’ny kolontsaina sy ny serasera manoloana ireo rehetra ireo.
Olana roa loha
Tsy ny fiatrehana ny hamehana ara-pahasalamana mitarika amin’ny fihibohana izay tsy ahafahana miasa ihany anefa, no olana atrehan’ireo mpihira gasy, fa efa misedra olana goavana an-taonany maro ihany koa izy ireo amin’ny tsy fananana kianja sy toerana manara-penitra hahafahana milalao. Tsy mahagaga raha tsy fantatry ny taranaka ankehitriny loatra intsony ny fisian’ny hiragasy, izay anisan’ny fitaovana fampitana hafatra mahomby sy fitaizana sahaza ny isam-batan’olona rehetra.
