« Omeo olona mahavaha olana izahay ! ‘Reo tsy mahavita izany aleo tsy ho eo intsony ! ». Izany no hiakan’ireo mpianatra eny amin’ny Ambaratonga Ambony, monina eny Ambohipo, io maraina io.
Nanterin’izy ireo fa simba ny rafi-pampianarana , ny trano itoerana sy ny foto-drafitrasa tsy zarizary,… Raha akapoka dia ny tanora malagasy mpianatra mihitsy no potehina. Midika izany fa ny hoavin’ny firenena mihitsy no simba tanteraka. Noho izany, mitaky olona hanandratra ny mpianatra sy ny firenena izahay, hoy hatrany ireo mpianatra.
Nambaran’izy ireo àry fa tsy hijanona ny hetsika raha tsy mivaha ny olana. Anisan’izany ny resaka jiro sy rano, ny foto-drafitrasa izay takiana hitovian’ny mpianatra rehetra manerana ny Nosy. Ilaina koa ny « connexion internet » ahazoana miatrika ny rafi-pampianarana LMD. Manoloana ireo dia takian’ny mpianatra ny famahana miaraka ny olana misy, ka tsy hisy intsony koa ny fampisaraham-bazana ny mpianatra.
Hivaha ve ny olana ?
Manoloana ny olana sy ny hetsika ataon’ny antokom-pianatra samihafa dia nanao fanambarana ny Praiminisitra Ntsay Christian io maraina io fa ao anatin’ny ezaka famahana ny olana ny tenany dia ny fandoavana manontolo ny vatsim-pianaran’ny mpianatra.
Sambany tao anatin’ny 10 taona, hoy izy, no afaka manefa ny vatsim-pianaran’ny mpianatra manontolo ao anatin’ny taom-pianarana iray mialoha ny faran’ny taona ny Fanjakana.
Nampiany fa efa mitady vaha-olana momba ireo fitakiana hafa izy.
Andrasana korontana
Araka izany dia fantatra fa misy ihany izany ny vola enti-mamaha izao olan’ny mpianatra izao. Andrasana mihitsy ve izany ny hisian’ny fitakiana arahin-korontana vao efaina ny vatsim-pianaran’ireo mpianatra ?
Nisy manko ny mpianatra toran’ny baomba mandatsa-dranomaso nampiasain’ny mpitandro filaminana, io maraina io.
