MPIVAROTRA ENY ANDRAVOAHANGY : Misy manorina trano vy eo amin’ny “Esplanades”

Nanomboka ny fe-potoana nitondran’ny Ben’ny tanànan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, Razanamasy Guy Willy, no nivarotra tamin’ny hazo talatalana ireo mpivarotra eny amin’ny “Esplanade A” sy “Esplanade B” Andravoahangy. Hatramin’izao dia mbola izay hatrany no iainan’izy ireo. Misy amin’ireo mpivarotra eny an-toerana anefa ankehitriny no nahavita manorina trano vita amin’ny vy eo amin’ireo toerana hivarotan’izy ireo. Voakasika manokana ami’izany ireo trano vy miisa telo izay naorina vao haingana. Miteraka fahasahiranana ho an’ireo mpivarotra manodidina izany satria manimba ny fotodrafitrasany. Mampihena ihany koa ny toerana hahafahan’izy ireo mivarotra noho ireo trano vy ireo mibahan-toerana. Ankaotra izay dia mampikorontana ireo mpampiasa lalana sy ireo mpiantsena. Fanorenana izay tsy tokony hatao kanefa aorina. Voalaza hatramin’izay fa tsy azo hanorenana ireo “Esplanades” miisa roa ireo noho izy ireo voatokana ho “Vakoka”. Manoloana izany indrindra dia mitaraina ireo mpivarotra miisa 50 mahery izay voakasika amin’ity faritra ity. Manao antso avo amin’ny Ben’ny tanànan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, Ramanantsoa Harilala, sy ireo tompon’andraikitra isan’ambaratongany ihany koa, izy ireo, mba hijery akaiky ny zava-misy. Na efa nisy aza, ny alahady 22 febroary 2026, ny fidinana ifotony notontosain’ny tompon’andraikitra avy eo anivon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, izay nandraisana fanapahan-kevitra fa ho esorina ireo trano vy ireo dia mbola manahy ireo mpivarotra sao tsy hotanteraka izany. Ireo tompon’ny trano vy ireo izay efa nanateran’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, taratasy handravana ny trano vy, ny zoma 30 janoary 2026, fa mbola tsy noravan’izy ireo izany hatramin’izao. Antony hanamafisan’ireto mpivarotra karetsaka sy lamba ary poketra ireto, ny antso avo, araka ny fanazavana voaray.

Vous aimerez aussi