Tsy fandriampahalemana manao tohivakana vokatry ny asan-jiolahy izay amoizana aina sy ny fananana anatin’ny fotoana fohy, tsy fisian’ny asa ahafahana mivelona, ny adin-tany mitranga saika manerana ny nosy, olan’ny famatsiana rano madio sy ara-pahasalamana ho an’ny mponina an-drenivohitra sy ambanivohitra, fiakaran’ny rano vokatry ny rotsakorana betsaka tato ho ato. Ampahany ihany amin’ireo olana marolafy sedrain’ny Malagasy ankehitriny ireo.
Tsy mahita vahaolana ?
Manoloana izany, toa tsy mbola mahita ny vahaolana maharitra ahafahana mamaha izany ireo mpitondra isan’ambaratongany. Toa vahaolana vonjy tavanandro hatrany no hita etsy sy eroa hiatrehana azy ireny. Vokany, efa mila ho kivy sy mahatsapa ho kamboty velon-dray amandreny tsy misy mpiahy ny vahoaka Malagasy. Tsy arakaraka ny fampanantenana natevina tanatin’ny kabary tsara lahatra nandritra ireny fampielezan-kevitry ny fifidianana ho filoham-pirenena ireny ny zava-misy sy iainan’ny Malagasy tao anatin’ny herintaona izao, hoy ny olontsotra iray nitafa fohy taminay. Ny fihetsiketsehana sy ny fisehoana ivelany ho tapi-maso no asongadina amin’ny alalan’ny fampiasana ny haino, vaky, jery fa ny asa mivaingana sy maharitra ho vahaolana tsy hita taratra hatreto. Ny mpitondra no mpiahy voalohany ny vahoaka anatin’ny firenena iray. Tsy izay loatra anefa ny zava-misy eto amintsika fa toa zary lasa fomba fiteny fotsiny ihany izany. Ny sehatry ny fahasalamana, ohatra, raha sendra marary ny Malagasy dia tsy maintsy manana vola any an-tsikinany vao afaka mitsabo tena.
Tsy mahagaga raha nampaneno lakolosy ny amin’ny hanaovana ho laharam-pahamehana ny famahana ny olan’ny sosialim-bahoaka sy ny tokony hanajana hatrany ny Zon’Olombelona ary ny fanomezana hasina ny aina ny avy eo anivon’ny FFKM. Tsy akanim-boro-manidina ka ho vitan’ny vava ny fitondrana firenena sy ny fiahiana ny vahoaka fa mitaky asa mivaingana anatin’ny fananana traikefa matanjaka, fahamatorana ary ny fitiavan-tanindrazana. Mila vahaolana maharitra sy maika ny Malagasy amin’ny famahana ireo olana ara-tsosialy ireo fa efa difotry ny fahasahiranana sy ny “fahantrana manara-penitra” tanteraka.
