Miroso hatrany amin’ny fampiasana angovo madio sy ny fampitomboana ny famokarana herin’aratra i Madagasikara. Nosoniavina androany 15 novambra 2021 teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha ny fifanaraham-piaraha-miasa fananganana ny toby famokarana herin’aratra na “centrale hydroélectrique” ao Sahofika hiarahana amin’ny vondrona NEHO.
Catégorie : Samihafa
RINDRAN-KIRA « TAMBERINA » : Hamerenana ireo hiran’ny taona 60 - 70 - 80
Ireo hira tsy mety vasoky ny vanimpotoana nifandimby ary mbola tsy afaka am-bavan’ny maro mandraka ankehitriny mirakitra tsiahy sy fahatsiarovana zary tantara mitoetra izay nojarian’ireo Andrarezin’ny mozika malagasy tany amin’ny taona 70 hatramin’ny 80.
MOZIKA RAP : Miala any ny « Akon’ny afenina »
Raha toa ka heverina fa efa be no vitan’ireo Zokibe teo amin’ny filalaovana ny rap teto Gasikara dia tsy mikely soroka manabe voho ity mozikan’ny tanan-dehibe efa mahazo faka hatrany ambanivolo ity ireo Zandry mahaleo mahalasa ankehitriny.
MPANAKANTO LOVA INÈS : Mivoy ny “Kilalaky jihea karitaky”
Ny fiandohan’ny taona 2019 no tapa-kevitra hamondron-kery sy talenta izy 14 mianadahy, ahitana, mpandihy, mpihira ary mpitendry mandrafitra ny tarika Lova Inès.
ANTOKO MPIHIRA « ANDRY FITIAVANA » : Milalao gadona maroloko
Ny taona 1989 no niorina ny Antoko mpihira Andry Fitiavana mijoro eo anivon’ny Fiangonana METM Nazareta Fitiavana 67 Ha atsimo. Miisa manodidina ny 50 ankehitriny ireo mpikambana tanora lahy sy vavy mandrafitra azy.
ZANAKIN’NY FARITANIN’I TOAMASINA : Manohana ireo Governoran’ny faritra telo
Ao anatin’ny fanaovana tombana ny asan’ireo governoram-paritra ny filohampirenena Andry Rajoelina sy ny Praiministra Ntsay Christian ankehitriny.
« SALON DES ETUDIANTS » ATAO AO AMBOHIDRATRIMO : Hampiakatra ny taham-pahalalan’ny mpianatra no tanjon’ny kaominina
Ny hampiakatra ny taham-pahalalan’ny mpianatra no tanjona tamin’ny hetsika « salon des étudiants » izay natao tao amin’ny kaominina Ambohidratrimo ary naharitra 3 andro, dia ny 28, 29 ary 30 oktobra teo.
TETIKASA MADINIKA NY BORIBORINTANY FAHAROA : Hanomboka amin’ity herinandro ity ny fanamboarana caniveau 50 metatra sy tohatra 100 metatra
Hanomboka amin’ity herinandro ity ny tetikasa madinika an’ny boriborintany faharoa. Araka ny fanazavan’ny delegen’ny boriborintany faharoa, atoa Rabemanjara Charmant d’Assise dia tohatra mirefy 100 metatra sy caniveau mirefy 50 metatra no hatomboka amin’ity herinandro ity
GLASGOW : Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy ny fivorian'ny Firenena Mikambana faha-26 mikasika ny toetrandro na COP26
Nisokatra nanomboka androany 1 novambra 2021 hatramin’ny 12 novambra izao, any Glasgow, Écosse, ny COP26 na ny fivorian’ny Firenena Mikambana faha-26 mikasika ny toetrandro ary handray anjara amin’izany ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, sy ny delegasiona Malagasy izay tarihiny.
CENI : Voafidy ireo mpikambana vaovao handrafitra azy
Taorian’ny fahataperan’ny fe-potoam-piasan’ireo mpikambana ao amin’ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena misahana ny Fifidianana na CENI, dia noraisina anio sabotsy 30 oktobra 2021 ny didim-panjakana laharana faha 2021-1200 izay anamarinana ny fahalanian’ireo mpikambana vaovao ao amin’izany rafi-panjakana izany.