« SALON DES ETUDIANTS » ATAO AO AMBOHIDRATRIMO : Hampiakatra ny taham-pahalalan’ny mpianatra no tanjon’ny kaominina

Ny hampiakatra ny taham-pahalalan’ny mpianatra no tanjona tamin’ny hetsika « salon des étudiants » izay natao tao amin’ny kaominina Ambohidratrimo ary naharitra 3 andro, dia ny 28, 29 ary 30 oktobra teo. Nambaran’ny ben’ny tanànan’Ambohidratrimo, atoa Raherimanantsoa Feno, mpikarakara ny hetsika fa hatramin’izay dia mijanona eo amin’ny bakalorea ny farim-pahaizan’ny mpianatra dia tsy mahita lalan-kombana izy ireo, nefa eo amin’io bakalorea io vao tena manomboka ny fanabeazana ary mitsinjo sy mijery ny ho avy sy ny tontolon’ny ambadika sy ny asa any aoriana any ireo mpianatra, hoy ny ben’ny tanàna. Tokony hanana mari-pahaizana licence, masters, doctorat, sy ny maro hafa ireo mpianatra vao afaka miavotra amin’ny ho aviny, fa tsy mijanona amin’ny bakalorea. Izany no nahatonga ny kaominina Ambohidratrimo nikarakara hetsika « salon des étudiants », izay nanomboka ny alakamisy teo ary nifarana ny sabotsy lasa teo. Ny andron’ny alakamisy ny fanokafana niaraka tamin’ny manampahefana isan-tsokajiny, nahitana ny sefo cisco, ny zap, ny solombavambahoaka, ny mpiasan’ny kaominina ary ireo mpiara-miombon’antoka. Nahitana trano eva an’ireo oniversite nandray anjara teny an-toerana, ka anisan’izany ny oniversite Ankatso, oniversite Ambohidratrimo, ny Gate Onivesity, sns… Nisy ny “conférence débat” narahina fanadihadihana niarahana tamin’ireo professeurs, ny mpampianatra isaky ny oniversite, izay hamaly ny hetahetan’ny mpianatra, nandritry ny 3 andro. Ny tanjona tamin’izao “salon des étudiants” izao dia ny hampiakatra avo ny lentan’ny fahaizan’ny ankizy, mba ahazoan’izy ireo mari-pahaizana ambony entiny miatrika ny ho aviny. Ankoatra izay, dia efa misitraka ny lalan-kely avy amin’ny fitondram-panjakana ihany koa ny koaminina. Lalan-kely mirefy 900 metatra mampitohy an’Ambohitsiroa sy Ambohidratrimo no efa manomboka ny asa. Tsy ho ela ny barazy fampidirana rano ary farany, nisy ireo trano may teny amin’ny koaminina ary efa nanolotra fitaovana nifanaraka tamin’izany ny ben’ny tanàna.

Vous aimerez aussi