« Ndao hifanome tanana anatin’ny fifankatiavana lavitry ny lolom-po ary entanin’ny fitiavan-tanindrazana, hanasoa ny firenentsika, fa isika ihany no mijaly sy hahantra raha tsy handray ny anjara tokony ho vitantsika » Io no hafatra mafonja nampitain’ny Pasitera Randrianoelison Fabio Eric Michaël, izy izay filoha nanorina ny KF (Kristianina sy ny Firenena) izay Orinasa kristianina.
Nomarihany fa lalan-tokana ihany dia ny fandraisana andraikitra amin’ny alalan’ny asa fa tsy resaka eo amin’ny tsirairay manoloana ireo olana marolafy iainan’ny firenena ankehitriny no vahaolana ho an’ny Malagasy. Anisan’ny soso-kevitra entiny manatanteraka izany avy hatrany ny fanentanana ny mpiray tanindrazana miisa 10 tapitrisa handrotsaka ny vola « 1 000 Ariary iraiky » isam-batan’olona. Ny fanatanterahana izany, hoy izy dia efa ahafahana manatanteraka asa goavana hanasoavana an’i Madagasikara toy ny fanadiovana an’Iarivo, famoronana asa maro, sns. Ahafahana manova tanteraka ny tantaran’i Madagasikara ihany koa izany raha toa ka tohizana isam-bolana ny fantanterahana azy.
« Tsy hiandry ny fanjakana mahefa isika satria efa halohalika ny ranombary ary vonjy aina no hatao » hoy ny Pasitera Randrianoelison Fabio Eric Michaël. Tsy tokony hisalasala hanatanteraka izany ny Malagasy, hoy hatrany ny lehilahy satria raha mitohy izao toe-draharaha eto amin’ny firenena izao dia ho lasan’ny Vahiny ny tany rehefa tsy tonga saina isika mianakavy ary ho « mpanofa » sisa Ramalagasy.
Nomarihany nandritra ny tafa nifanaovanay taminy fa « Iraka » avy amin’Andriamanitra no hotanterahany fa tsy fitadiavan-tseza ary tsy fikatsahana tombontsoa manokana akory sanatria. Misehatra amin’ny tontolon’ny fandraharahana marolafy ny Pasitera Randrianoelison Fabio Eric Michaël. Maro ireo asa efa nataony toy ny fanamboarana tohadrano, tany Betioky atsimo, ny fambolena voanjo, lojy any Toliary, sekoly tany Sambava, sns. Ny laharana 03831 457 83 no ahafahana mitafa mivantana aminy. « Manàna fahatokiana, fa ny adalan’Andriamanitra manao ny tsara mihoatra ireo milaza ho hendrin’izao tontolo izao ! »
