RINDRAN-KIRA « TAMBERINA » : Hamerenana ireo hiran’ny taona 60 - 70 - 80

Ireo hira tsy mety vasoky ny vanimpotoana nifandimby ary mbola tsy afaka am-bavan’ny maro mandraka ankehitriny mirakitra tsiahy sy fahatsiarovana zary tantara mitoetra izay nojarian’ireo Andrarezin’ny mozika malagasy tany amin’ny taona 70 hatramin’ny 80. Ireo no hojifain’ireo Liankanto eto Analamanga, ny tolakandron’ny rahampitso alahady 14 novambra, hanomboka amin’ny ampamatoran-janak’omby (03 ora tolakandro), etsy amin’ny CCESCA Antanimena.

Nomarihan’i Mami, mpiketrika ny « Tamberina », anarana nasalotra ny rindran-kira, fa noezahana araka izay azo natao ny tsy nanova ny fomba fihira, ny fandrindrana ary ny fanehoana an-tsehatra ireo hiran’ny taona 60 – 70 ary 80. Anton’izany ny tsy hampiova ilay « fanahy » voarakitra anatin’ireo sanganasa, hoy ihany ny lehilahy. Nahazoana fahazoan-dalana avokoa tamin’ireo tompon’ny sanganasa ny hamerenana indray ireo hiran’izy ireo ao anatin’ny « Tamberina ».

Ambohimpihaonan’ireo Andrarezina

Anisan’ireo hatamberina eny an-toerana ny hiran’ny tarika Rambao, Ramy Franck, Ny Ambio, Vola sy Noro, Troupah (Jean Rabary), Ny Nanahary, Olivier Andrianarivony, Bouboul, Valolahy sns… Hanolotra sy hitondra ny fanentanana i Clara, feo sy endnika tsy zoviana amin’ireo nanaraka ny Radiom-pirenena malagasy tamin’izany fotoanandrony. Ho avy eny an-toerana ihany koa ireo mpanakanton’ny taona 60, 70, ary 80 mbola velon’aina ankehitriny.

Ny tarika Baobab, ahitana mpikambana miisa 08 mianadahy no hiantsoroka ny fanatanterahana ny « Tamberina ». Izy ireo izay nanambara fa tsy hilahatra amin’ireo mpanakanto voasokajy ho goavana fa tsy mena-mitaha amin’izy ireo kosa ny zavabitan’ny « Baobab ». Dingana manaraka ny hitondrana ny rindran-kira « Tamberina » any amin’ny faritra ary hipaka hatrany Dilambato mihitsy aza izany ho fanehoana amin’ny rehetra fa mananana ny maha izy azy sy ny hasiny ny mozika novokarin’ireo mpanakanto Malagasy tany amin’ny taona 60 hatramin’ny 80 koa mendrika holovain’ireo taranaka aty aoriana hanjary vatsin-dalana hamakivakiana ny fiainana an-tany.

Vous aimerez aussi