“SALON DES ETUDES SUPERIEURES” ANDIANY FAHA-22 : Hetsika hanampiana ireo tanora mpianatra

Ny andiany faha-22 amin’ny hetsika “Salon des Etudes Supérieures” izay karakarain’ny orinasa “Madajeune” izay nanomboka ny talata 2 septambra 2025 ka hifarana ny alarobia 3 septambra 2025 no hita eny amin’ny Palais des Sports Mahamasina. Ity hetsika izay misokatra ho an’ny rehetra ity dia natao indrindra hanoloran-tanana ireo tanora mpianatra vao nahazo ny diplaomam-panjakana Bakalorea farany teo ka te hanohy fianarana eo amin’ny sehatry ny Ambaratonga Ambony.

Tranoheva manodidina ny 100 isa no hita eny an-toerana izay andraisan’ ireo Sekoly Ambony sy Oniversite tsy miankina misy eto Madagasikara, anjara. Na ireo Sekoly Ambony sy Oniversite tsy miankina hita eto Madagasikara na ireo any ampitan-dranomasina araka izany dia hita ao amin’ity “Salon des Etudes Supérieures” ity avokoa. Miisa 80 ireo mpandray anjara ireo izay samy manana ny Lalam-piofanana atolotra ireo mpitsidika avokoa. Ankoatry ny fampahafantaran’ireo Sekoly Ambony sy Oniversite tsy miankina eto Madagasikara ireo ny momba azy ireo dia miezaka mampahafantatra ny mahakasika azy ireo ihany koa ireo Ivon-toerana maro samihafa izay manana tanjona hanohana ireo tanora mpianatra amin’ny fisafidianana Lalam-piofanana hafa.

Isan-taona aorian’ny fivoahan’ny voka-panadinana Bakalorea tahaka izao dia manatanteraka ny hetsika “Salon des Etudes Supérieures” hatrany ny orinasa “Madajeune” mba hitondra anjara biriky eo amin’ny fanabeazana ny tanora mpianatra malagasy sy mba hitondrana ainga vao ihany koa eo amin’ireo Sekoly Ambony sy Oniversite tsy miankina misy eto Madagasikara, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra ao amin’ny orinasa Madajeune, Rabeharisoa Miora.

Vous aimerez aussi