SARIMIHETSIKA VITA MALAGASY : Miala any ny « Andilamainty »

« Andilamainty », tantara mampangitakitaka ifamahofahoan’ireo endrika ditraditra azo ambara fa tsy misaraka loatra amin’ireo adolantsento miatrika ny fahatanorany. Tanora maromaro no nanao fandaharam-potoana hiara-hivoaka kely ny Renivohitra mba « hanala azy » kanjo tojo tranga mampivarahontsana miseho amin’ny endrika marolafin’ny « fanahy ratsy ». Hahatohitra ireo rehetra ireo àry ve ireto andian-tanora « nihoa-pefy » hihazo an’Andilamainty ireto sa… ? Ny 11 Janoary 2025, amin’ny roa ora tolakandro, etsy amin’ny CCESCA Antanimena izay handefasana azy ity voalohany ho an’ny eto Antananarivo no hahafahana mamaly izany.

Io no azo amehezana ny tantara vita malagasy « Andilamainty » izay novokarin’ny Tranom-pamokarana « Rova Image » Maharitra ora roa ny tantara ary manodidina ny dimy ambiroapolo ireo Olombelona manome aina ny « Andilamainty ». Tanora avokoa ny maro anisa amin’izy ireo ary nomena fiofanana manodidina ny fomba filalaovana sarimihetsika avokoa mialoha ny nanodinana ny « Andilamainty » Naharitra fito volana no niketrehana ny tantara. Tsy nirotorotoana ny fanajariana azy mba hahazoana ilay kalitao tsara ho mendrika ny vita malagasy, hoy Raveloson Rova, tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny « Rova Image ». Nomarihany ihany koa fa noezahana manaraka ny fenitra ny kalitaon’ny feo tamin’ny alalan’ny fandraisana tsirairay ny feon’ireo mpandray anjara tanatin’ny trano fandraisam-peo. Tsy latsa-danja amin’izay ihany koa ny nakana ny sary izay marihana fa tao anatin’ny haizin’ny alina hatrany no nanatanterahana ny fanodinana ny « Andilamainty ». Niangaliana fatratra ny fomba nandrafetana ny tantara « Andilamainty ».

Aorian’ny eto Analamanga hisy ny fitetezam-paritra hanomezana fahafaham-po ireo mpankafy ny sarimihetsika vita malagasy. Hitohy hatrany ihany koa ny famokarana sarimihetsika ho an’ny « Rova Image » Marihana fa ny taona 2013 no efa nikirakira ny tontolon’ny sary sy ny feo ny « Rova Image » Ity farany izay tsy mitsahatra ny mandalina ity taranja maro mpankafy ity. Azo inoana, araka izany, fa afaka mitondra ny anjara birikiny ho amin’ny fametrahana amin’ny toerana mendrika sy sahaza azy ary tsy ho mena-mitaha amin’ireo sarimihetsika vokarin’ireo teratany vahiny ny antsika Malagasy raha mitohy ny ezaka tahaka izao.

Vous aimerez aussi