Ny taom-pianarana 1999 – 2000 no nanombohan’ny sekoly “HR DANIEL”nisehatra teo amin’ny lafiny fampianarana sy ny fanabeazana. Efatra mianadahy mpiray tampo nivoaka avy amin’ny fianakaviana Rakotondranja nahitana an’i Daniel, Mino, Solo ary i Stela no niketrika ny fananganana ny sekoly.
Ankehitriny etsy Ambohipanja Ankadikely Ilafy no miorina ny sekoly. Ahitana kilasy garabola hatrany amin’ny kilasy famaranana. Mampiavaka ny sekoly HR DANIEL ny fisian’ny “Périscolaire” izay sehatra natao ho an’ireo mpianatra mamorona sy mikirakira ireo fitaovana ampiasaina amin’ny taranja simia sy ny fizika ary ny tontolon’ny informatika sy ny herinaratra amin’ny ankapobeny. Tafiditra anatin’izany ny fanajariana ny “Rindram-baiko” (Programmation).
Nomarihan’ireo mpanabe eo anivon’ity sekoly ity fa tsy mihaona amin’ny fandaharam-pianarana ny “Périscolaire” fa natao mba hahafahana manamora ny fampitana ny fampianarana ny fisiany noho ny fisian’ireo foto-drafitrasa sy fitaovana eo anivon’ny sekoly. Fitaovana enti-mampianatra izay ireo Mpampianatra sy Mpanabe eo anivon’ny sekoly HR DANIEL ihany no mamorona azy ireny. Ny taranja siantifika izay manahirana ny maroanisa amin’ireo Mpianatra ny mandray azy. Hanamora ny fampitiavana ireo mpianatra ny taranja siantifika ihany koa ny fisian’ny”Périscolaire” eo anivon’ny sekoly. Eo amin’ny fifehezana ny teny Frantsay misy ny fandefasana ireo Mpianatra eny anivon’ny ivo toeran’ny kolontsaina Frantsay “AFT” Andavamamba.
Mpampianatra nahavita ny fiofanana sy fianarana teny anivon’ny sekoly ambony mpampiofana ho mpanabe matihanina avokoa no miantsoroka ny seha-panabeazana eo anivon’ny sekoly. Misy ny fiaraha-miasa akaiky eo amin’ireo mpanabe miisa roampolo sy ireo Ray alan-drenin’ireo Mpianatra. Misy, araka izany, ny fifanarahana vita sonia fa vonona ny hanara-maso ny fizotran’ny fivoaran’ny fampianarana ireo Zanany ireo Ray aman-dReny. Tsy manamaivana ny fitaizana ny fanahy ny sekoky. Misy ny fotoam-pivavahana isaky ny Zoma voalohany amin’ny volana. Ny sekoly HR DANIEL no nitana ny laharana voalohany tao amin’ny Zap Ankadikely andrefana ho an’ny fanadinana Bepc.
Nanterin’ireo Mpandraharahan’ny sekoly HR DANIEL nandritry ny tafa nifanaovanay tamin’izy ireo fa simba ny tontolon’ny fampianarana sy ny fanabeazana eto Madagasikara koa mila fandraisan’andraikitry ny tsirairay ny famerenana amin’ny toerana sahaza sy mendrika ny fanabeazana. Ny kalitaom-pampianarana sy fanabeazana izay antoka iray lehibe hampatanjaka ny Firenena amin’ny lafiny rehetra. Indrisy anefa fa ireo Mpitondra fanjakana ankehitriny aza toa tsy manome lanja sy hasin’ny atao hoe : “Fanabeazana sy Fampianarana” akory. Indrisy ry Fireneko !
