TANORA MPIANATRY NY ISPM ANTSOBOLO : Afaka miatrika asa avy hatrany aorian’ny fianarana

Afaka miatrika asa avy hatrany ireo tanora mpianatra avy ao amin’ny Oniversite tsy miankina ISPM Antsobolo, aorian’ny fandrantoana fahaizana amam-pahalalana norantovin’izy ireo. Efa vita sedra tamin’ny alalan’ny fananganana tetikasa mifanaraka amin’ny fianarana norantoviny mantsy izy ireo fony mbola tany an-tsekoly. Ny tetikasa atsangana izay tonga dia natao hampiharina avy hatrany mba hahatonga ireo tanora mpianatra ireo ho matihanina ka tsy hanana olana amin’ny fiatrehana ny asa ho ataony any aoriana.

Tsy mampanano-sarotra azy ireo araka izany ny tonga dia miasa noho izy ireo efa azo lazaina fa matihanina. Efa betsaka rahateo ireo traikefa nahafahana namorona vokatry ny fisian’io fananganana tetikasa avy amin’ireo mpianatra ao amin’ny Oniversite tsy miankina ISPM io. Efa maro ihany koa ireo orinasa miorina izay nampisongadinan’ireo mpianatra ireo ny tetikasany. Izy ireny izay mampisy fiantraikany mivantana eo amin’ny fampandrosoana ny firenena.

Ny Oniversite tsy miankina ISPM izay miavaka hatramin’izay 33 taona nijoroany izay noho ny fisian’ity kolontsainan’ny fananganana tetikasa avy amin’ireo tanora mpianatra ity. Izy no hanehoan’izy ireo fa manana ny fahaiza-manaony sy tsy mena-mitaha amin’ireo tanora mpianatra hafa ny tanora mpianatry ny Oniversite tsy miankina ISPM Antsobolo. Hanasongadinan’izy ireo ihany koa ny Lalam-piofanana norantoviny izany kolontsaina izany, araka ny fanazavan’ny D.A.F ao amin’ny ISPM, Razafindrahety Aimeé.

Vous aimerez aussi