Hifanome fotoana indray amin’ny mpankafy azy eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina Mahamasina, ny 28 desambra 2025, ny tarika REKO. Fampisehoana izay hanomboka amin’ny 03 ora tolakandro raha hisokatra amin’ny 11 ora atoandro ny vavahady. Misy karazany fito ny saram-pidirana amin’ity fampisehoana goavana tanterahan’ny tarika REKO, amin’ny farany taona ity. Eo aloha ny “Fanzone” izay hanjifana ny tapakila Ar 7.000. Ny tapakila “Bronze” izay jifaina Ar 10.000. Ny “Silver” izay ahitana tapakila Ar 15. 000 raha Ar 20.000 ny “Prime”. Ny “Gold” izay jifaina Ar 30.000. Ar 75.000 ny “Signature” raha Ar 100.000 ny “Prestige”. Mandritry ny andron’ny fampisehoana no hahafahana manjifa ny tapakila fidirana amin’ireo mpanjifa. (Efa lany tanteraka ny tapakila rehetra raha ny fampitam-baovao avy amin’ny mpikarakara, NDLR).
Ity fampisehoan’ny tarika REKO izay karakarain’ny “Studio 58” ity dia hamoahana amin’ny fomba ofisialy ihany koa ny raki-kira vaovaon’ny tarika. Ankoatry ny famoahana raki-kira amin’ny fomba ofisialy dia hanolotra “surprise” maro samihafa amin’ireo mpankafy sy mpijery tonga hanotrona amin’io fotoana io ihany koa ny tarika REKO. Ny taona 2024 dia efa nanatontosa fampisehoana tao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina Mahamasina, ny tarika REKO. Nandritry ny enin-taona niseharan’ny REKO teo amin’ny mozika dia niisa 600 ireo fampisehoana efa notontosain’ny tarika manerana ny firenena maro maneran-tany, araka ny fanazavana voaray.


