Hanomboka amin’ity herinandro ity ny tetikasa madinika an’ny boriborintany faharoa. Araka ny fanazavan’ny delegen’ny boriborintany faharoa, atoa Rabemanjara Charmant d’Assise dia tohatra mirefy 100 metatra sy caniveau mirefy 50 metatra no hatomboka amin’ity herinandro ity. Eny Ambatoroka no misy an’ilay caniveau. Hatao curage ihany koa ny lakan-drano eny an-toerana. Eny Ambolokandrina kosa no misy ilay tohatra 100 metatra izay hatomboka amin’ity herinandro ity. Efa mamarana ny lalan-kely eny Mahazoarivo izay mirefy 70 metatra ihany koa ny boriborintany faharoa. Ankoatra izay dia olona manodidina ny 200 ihany koa no nozaraina titra tany faobe ny talata lasa teo, teny Ambolokandrina, ka ny solombavambahoaka Lanto Rakotomanga no tompon’antoka. Fanentanana kosa no hataon’ny delegen’ny boriborintany faharoa mba hanajana ny “plan d’urbanisme”. Raha misy olona mikasa hanorina trano na/sy fotondrafitr’asa hafa dia ilaina ny taratasy mikasika izany mba hanamora ny “consultation”. Tokony miala 1,50 metatra amin’ny toerana hanorenana fotondrafitr’asa ny olona hanangana izany, milà hajaina izany, hoy ny delege, satria hatokana ho an’ny mpandeha an-tongotra izany. Rehefa ara-dalana kosa ny taratasy dia midina eny an-toerana ny mpiasan’ny kaominina manao fitsirihana. Marihana, fa tsy mamoaka taratasy fahazoana hanorina fotodrafitr’asa ny boriborintany faharoa sy ny fokontany, fa ny “direction d’urbanisme” eo anivon’ny CUA irery ihany no afaka mamoaka izany, hoy hatrany ny delege.
