TOAMASINA I SY II, FENOARIVO ATSINANANA ARY ALAOTRA MANGORO : Miverina mianatra ny mpianatra manomboka ny alakamisy izao

Efa hita fa misy fivoarany ny fahasitranan’ireo olona ao amin’ny distrika 4, dia Toamasina voalohany, faharoa, Fenoarivo atsinanana ary ny amin’ny faritra Alaotra Mangoro. Noho izany, noraisina izao fepetra izao ho an’ireo toerana 4 ireo, hoy ny praiministra, raha nitafa tamin’ny vahoaka Malagasy, ny alahady alina lasa teo. Afaka miasa hatramin’ny 5 ora ny olona, afa-tsy ireo marefo ara-pahasalamana. Mitsahatra hatramin’ny 7 ora hariva kosa ny taksibe, ny Cyclo Pousse, ny Tuc Tuc, ny Bajaj.

Mbola mitohy ihany koa ny tsy fahafahana mivezivezy amin’ny alina na ny “couvre feu”, manomboka amin’ny 10 ora alina ka hatramin’ny 4 ora maraina. Miverina mianatra ny alakamisy ho avy izao kosa ireo mpianatra hiatrika ny fanadinam-panjakana toa ny Cepe,  Bepc, ny tekinika ary ny bakalorea, fa mbola mipetraka kosa ny hamehana ara-pahasalamana dia ny fanaovana ny arovava sy orona, ny fanajana ny elanelana 1 metatra. Miakina amin’ny fivoaran’ny valan’aretina kosa no hamohana ny datim-panadinana, hoy ny praiministra. Efa manao ny ezaka rehetra amin’ny fanomanana ny laza adina kosa ny governemanta, hoy hatrany izy.

Ho an’ny faritra Analamanga kosa, dia mbola mihatra avokoa ireo fepetra rehetra hatramin’izao ary ho hamafisina izany amin’izao hamehana ara-pahasalamana andiany fahavalo izao ary ho hentitra ny sazy ho an’ireo tsy manaja izany, indrindra fa ny tsy fanaovana arovava, hoy izy. Afaka miasa hatramin’ny 5 ora ny olona miasa tena, afa-tsy ireo marefo ara-pahasalamana. Mijanona hatramin’ny 7 ora hariva kosa ny fitateram-bahoaka. Tsy hilefitra amin’ny goragora sy ny gaboraraka amin’ny fitaterana ny fitondram-panjakana, hoy ny praiministra. Tsy ekena ny fanaovana seza afovoany ho an’ireo taksibe sy ny fitondrana olona mitsangana.

Aoka hanaraka ireny fepetra ireny ny mpitatitra amin’ny taksibe. Mbola tsy afaka miasa kosa ireo taksiborosy, hoy ny praiministra, nefa efa nanadio ny toerany tetsy amin’ny fasan’ny karana ireo mpitatitra sy mpanera ary mpiasa birao sy mpandraharaha sy ny tompona fiara.

Vous aimerez aussi