TSIMOKARETINA CORNAVIRUS ANY CHINE : Arahi-maso ny seranantsika

Noho ny tsimokaretina Cornavirus, izay miha-mihanaka sy mamono olona any Chine dia arahi-maso akaiky indray ny seranam-piaramanidina sy ny seranan-tsambo eto amintsika.

Na dia efa nisy hatrizay aza ity fandraisan’ny tompon’andraikitry ny fahasalamana fepetra ity dia nohamafisina izany nanomboka ny 07 janoary lasa teo.

Arahi-maso akaiky

Arahi-maso akaiky mihitsy, noho izany, ny fahasalaman’ireo teratany vahiny avy amin’ireo firenena tena misy ity tsimokaretina ity, indrindra ny avy ao Azia avaratra andrefana. 

Ny tanjona moa, mazava loatra, dia ny tsy hidiran’ny aretina eto Madagasikara. Noho izany, raha misy ny olona ahiana dia misy ny fepetra raisina.

Anisan’izany ny tsy fahazoan’ny mpandeha midina ny fiaramanidina raha tsy voamarina ny taratasy ara-pahasalamana. Ary rehefa voamarina fa tsy misy marary ao dia afaka midina ny rehetra.

Tsy maintsy atao kosa anefa ny fitsirihana rehefa tafidina ny mpandeha. Alaina ny mari-panan’ny mpandeha tsirairay avy. Ary rehefa tsy misy ny ahiana dia afaka manohy ny diany ilay olona.

Saingy tsy maintsy alaina ny mombamomba azy, satria mety tsy ho marary eo noho eo izy fa aoriana kely.

Tsy mbola misy ny nahiana

Na dia tsy mbola misy aza ny nahiana ho voan’ity « pneumonie » hafaha avy any Chine ity dia tsy maintsy omanina avokoa ny fandraisana ny olona mety ho voany tafiditra eto.

Tsy maintsy atao amin’ny toerana voatoka aloha izy ary omena ny fitsaboana sahaza azy vao haterin’ny « ambulance » any amin’ny toera-pitsaboana manokana sahaza azy.

Vous aimerez aussi