ZANAKIN’NY FARITANIN’I TOAMASINA : Manohana ireo Governoran’ny faritra telo

Ao anatin’ny fanaovana tombana ny asan’ireo governoram-paritra ny filohampirenena Andry Rajoelina sy ny Praiministra Ntsay Christian ankehitriny. Ny zanakin’ny faritra Analanjirofo, Alaotra Mangoro ary Atsinanana dia manamafy fa tena manao ny ainy tsy ho zavatra ireo Governora 3 ireo, indrindra fa eo amin’ny fanatanterahana ny vina napetraky ny filoha Andry Rajoelina ho fampandrosoana ny firenena. Nambaran’atoa Rakotomalala Henri, izay mpitondra tenin’izy ireo, fa asa maro no vitan’ireo Governora ireo tao anatin’ny herintaona monja izay hisaorana manokana ny filoha Andry Rajoelina tamin’ny tsy nanadinoany ny vahoakan’ny faritanin’i Toamasina, tamin’ireo fotodrafitr’asa marobe tsy voatanisa vitany sy ireo mbola eo andalam-pamitana ankehitriny. Anisan’ny faritra nahavoafehy ny valan’aretina coronavirus ihany koa ireo faritra 3 voatanisa ireo nohon’ny ezaka sy traikefa nananan’ireo Governora ho fanatanterahana ny baiko nomen’ny filohampirenena, ka mendrika ho deraina manokana. Nambaran’atoa Rakotomalala Henri hatrany, fa hita ny ezaka nataon’ny Governora eo amin’ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana any amin’ny faritra misy azy avy any, indrindra fa ny ady amin’ny halatra lavanila any Analanjirofo. Ny zanak’i Toamasina dia tsy miaro velively raha toa ka misy ny fanodikodinam-bola hataon’ireo Governora ireo. Maneho ny fahavononany hanome tanana eo amin’ny fampandrosoana ny faritanin’i Toamasina, indrindra fa ny fanomezan-tanana ny filoha Andry Rajoelina sy ny fitondrana tarihiny ny zanak’i Toamasina, hoy Rakotomalala Henri.

Vous aimerez aussi