Ny taona dimy sy roarivo no efa nahita masoandro ny tarika GASPIRA. Antom-pisiany, hoy, i Solofo lehiben’ny tarika sy miantsoroka ny famoronana ary ny fitendrena zavamaneno ny hamerin-kasina indray ny mozika nentim-paharazana malagasy. Zanaka mpihiragasy avokoa izy valo mirahalahy mandrafitra ny tarika…
