ANDOHAN’ANALAKELY SY SABOTSY NAMEHANA : Nanokafana “PoP MVola” ihany koa

Notokanana sady nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, teny Andohan’Analakely akaikin’ny BNI, ny 16 jona 2025, ny « Point of Presence (PoP) MVola » fahadimy eto Madagasikara. Ankoatra ity teny Analakely ity dia nanokafana “PoP MVola” ihany koa teny Sabotsy Namehana. Asa hosahanin’ireto “PoP MVola” miisa roa ireto ny fandefasana sy ny fakana vola ary ny manodidina ny “MVola”. Tanjon’izao fanakaikezan’ny “PoP MVola” ny mpanjifany izao ny fanamafisan’ity orinasa momba ny banky dizitaly ity ny fanambin’izy ireo ny mba hisitrahan’ny rehetra ny tolotra omen’izy ireo. Tolotra izay manamora ny fiainana andavanandron’ny tsirairay. Ny tolotra izay mora ampiasana no azo antoka nefa ihany koa haingana ary hita manerana ny Nosy nandritry ny 15 taona izao, 15 taona nahombiazana. Miisa 50.000 amin’izao fotoana izao ny cash point eto Madagasikara, araka ny fanazavan’ny Tale Jeneralin’ny “MVola”, Louis Olivier Favot. Tonga nanotrona ity lanonam-pitokanana ity, ny Talen’ny kabinetran’ny Ben’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra, Ramilison Serge. Izy izay nisolo tena ny Ben’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra, Ramanantsoa Harilala.

Vous aimerez aussi