ANDRO MANERAN-TANY HO AN’NY FAHAIZA-MANAON’NY TANORA : Hiompana amin’ny fampiasana ny ilon-tsaina nomerika ny fankalazana

Ny 15 ka hatramin’ny 19 jolay 2025 no hanatanterahantsika eto Madagasikara ny Andro maneran-tany ho an’ny fahaiza-manaon’ny tanora. Ity andiany fahatelo ity izay iarahan’ny Ministeran’ny Asam-panjakana sy ny asa sosialy, ny Ministeran’ny Fampianarana teknika, ny fampanana’asa sy ny Antenimieran’ny Varotra ary ny “Entreprendre à Madagascar”, miara- miasa. Vina apetraka amin’ny hetsika ny mba hahafahan’ny tanora malagasy rehetra misitraka ny fahalalana momba ny ilon-tsaina nomerika na ny “intelligence artificielle”. Izy io izay manampy ny tanora amin’ny fitadiavana asa sy ny famoronana izany. Manova ny asa ny “intelligence artificielle” : andao hiomana hanampy ny tanora hisitraka ny asa rahampitso, araka izany no tanjona. Hiompana betsaka amin’ny fampiasana ny ilon-tsaina nomerika araka izany ny fankalazana andro maneran-tany ho an’ny fahaiza-manaon’ny tanora. Ny fampiasana ny nomerika sy ny teknolojia avo lenta izay efa tena mihamahazo vahana hatrany ka tsy afa-miala amin’izany fivoarana entiny izany intsony ny firenena maro eto ambonin’ny tany. Ny fizakan- tenan’ny tanora manoloana ny ilon- tsaina nomerika (intelligence artificielle) no lohahevitr’ity hetsika andiany fahatelo ity. Mandritra ireo fotoana hanatanterahana ny hetsika ireo dia hizara amin’ny toerana maro samihafa izany. Hanokafana izany hetsika izany ny eny amin’ny Esti Antanimena-Antananarivo, ny 15 sy ny16 jolay 2025. Hotohizana eny amin’ny Kaominina Ambatolampy Tsimahafotsy izany avy eo. N’y 17 ka hatramin’ny 19 jolay 2025 dia any amin’ny CIAT any amin’ny kaominina Fandriana no hamaranana ny hetsika.

Vous aimerez aussi