ANTOKO HVM : Tsy ampy ny ezaka atao momba ny sosialim-bahoaka

Mitaky ny fijerena akaiky ny sosialim-bahoaka amin’izao vanim-potoan’ny krizy izao ny filohan’ny Antenimierandoholona, Rivo Rakotovao. Ho azy, manao izay ho afany ny fitondram-panjakana, saingy tsikaritra fa tsy ampy ireo ezaka atao ireo, hoy izy. Raha zohina ny fiainam-pirenena ankehitriny, fotoana hitakiana vahaolana maharitra, tsy petatoko na afo mololo izao, hoy hatrany ny nambarany. Tokony handray ny andraikitra tandrify azy ireo tompon’andraikitra. Dieny ny tsy mbola tara satria efa niteny avokoa ny mpanao politika, ny mpahay toekarena, ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa fa ho ratsy izy ity, ka tokony hitady vahaolana maharitra amin’io sosialim-bahoaka io ny filohampirenena sy ny fitondram-panjakana rehetra, hoy ny tatitra nambarany.

Mikasika ireo nosy manodidina (Îles Eparses) an’i Madagasikara, dia nanambara ny filohan’ny antoko HVM (Hery Vaovao ho an’i Madagasikara) Rivo Rakotovao fa manohana ny finiavan’ny Filoha Andry Rajoelina amin’ny famerenana ny fiandrianam-pirenena Malagasy amin’ny fitakina ireo nosy ireo ny antoko izay tarihiny.

Vous aimerez aussi