Tranga niseho tetsy Antsahabe izany io tolakandro io, tokony ho tamin’ny 2 ora teo.
Efa narahi-maso
Noho ny angom-baovao dia efa narahin’ny polisy avy amin’ny Sakamainty ireo jiolahy roa saika hanao fanafihana manodidina an’Antsahabe iny.
Vao saika hanao ny fanafihany anefa ireto jiolahy no nifanehitra tamin’ireo mpitandro filaminana. Velona teo ny fifampitifirana. Azo babo ny jiolahy iray. Voan’ny balan’ireo olon-dratsy kosa ny olon-tsotra iray, izay nifamotoana tamin’ny rahalahiny, teo amin’ny Score teo.
Tafatsoaka kosa ny jiolahy faharoa, izay nifanenjehin’ny Sakamainty hatrany Ampasanisadoda tany, izay nisian’ny poa-basy matetika nanaitra sy nampihorohoro ny mpandalo.
Tsy tana ny ainy
Araka ny vaovao re farany dia namoy ny ainy ity olon-tsotra voatifitra teo amin’ny feny ity, na dia teo aza ny ezaky ny manodidina sy ny polisy mpandrindra ny fifamoivoizana teo an-toerana nitondra azy teny amin’ny hopitaly.
Tsikaritra fa betsaka tokoa ny rà very taminy, izay inoana ho nitarika ny fahafatesany.
Mila tetika maty paika
Ankoatra ny faritra maro eto an-drenivohitra dia anisan’ny lasibatry ny asan-jiolahy matetika iny Antsahabe iny tao ho ao.
Ankoatra ny halatra amin’ny fiara dia eo koa ny famakian-trano samihafa eny amin’ny manodidina.
Na mba hita eny an-toerana eny ihany aza ireo mpitandro filaminana manao andiany manao fisafoana dia toa hanaovan’ny jiolahy fangala-piery ihany.
Ilaina, noho izany, ny tetika maty paika raisin’ny mpitandro filaminana, indrindra amin’ny làlankely anaty Fokontany eny.
