BEN’NY TANANAN’ANTSIRABE : Naiditra am-ponja vonjimaika

Nampidirina am-ponja vonjimaika ao Antanimora ny Ben’ny Tanànan’Antsirabe, Paul Razanakolona, ny faran’ny herinandro teo. Nisedra famotorana tetsy amin’ny Pôle Anti-Corruption (na ny PAC) izy ny zomà 18 oktobra 2019 lasa teo .

Noho ny raharaha fanodinkodinana volam-bahoaka tao amin’ny Kaominina ambonivohitra Antsirabe, no nahavoarohirohy ity Ben’ny Tanànan’i Vakinankaratra ity.

Voalaza fa vola mitentina 2,435 lavitrisa Ariary mahery no tsy dia mazava loatra teo amin’ny fitantanany. Teo ihany koa ny tapakila tsy ara-dalàna nampiasaina tamin’ny haba-tsena sy ny asa tsy hita fototra eo anivon’ny Kaominina kanefa voalaza ho namoaham-bola.

Ireo rehetra ireo moa dia voalaza ho natao nandritra ny 2016-2019.

Nivoaka ny didy

Noho izany toe-javatra izany dia nivoaka ny didy savaranonando ka voatazona am-ponja vonjimaika Ingahy Ben’ny Tanàna sy ny lefiny voalohany. Nalefa avy hatrany ao amin’ny fonjan’Antanimora izy ireo.

Tsiahivina moa fa nisy ny fotoana nanaovan’ny mpiasan’ny Kaominin’Antsirabe fitokonana am-bolana maro, noho ny tsy nandraisan’izy ireo ny karamany.

Vous aimerez aussi