BESARETY ANTSAHAKELY : Trano roa may kila

Tsy mety intsony ny trano hazo eny ambany tanàna fa tena loza rehefa tonga ny tsy mety. Trano roa eny Besarety Antsahakely no may kilan’ny afo tamin’ny atoandro teo ary potika daholo ny entana. Soa fa tsy nisy aina nafoy.

Araky ny re dia nopoakapoaka ny tariby mitondra herinaratra dia nahazo trano hazo iray ka nirehatra. Efa ela hono ireo tariby ireo no simba fa tsy nisy nanamboatra. Ao koa ny milaza fa afo tamin’ny trano hazo iray io no nihitatra ka nandoro rindrina dia may daholo.

Mampalahelo ny tranga toy izao satria tampoka poa tahak’izay dia lavenona no hita. Tonga soa amantsara teny an-toerana ny mpamonjy voina marobe, fa tsy misy avotra intsony ny entana fa afobe.

Isan-taona dia misy trano may foana ety Antsahakely ary tsy dia mitandrina loatra ny mponina amin’ny loza mety hitranga. Tsy fananana ny trano hazo fa hatao isitrihana fotsiny ka tokony handray andraikitra ny fanjakana mba hanampiana an’ireny fianakaviana mipetraka amin’ny trano hazo ireny. Raha ny niseho androany izao dia dia kely foana no tsy nahazoan’ny afo ny trano manodidina teo dia lasa loza be. Teritery ny faritra Antsahakely ka raha vao mahita irika ny mahantra dia manangana trano hazo. Mampalahelo.

Vous aimerez aussi