CCO BOENY : Nanolotra fanafody sy fitaovana maro ho azy ireo, ny lehiben’ny faritra

Mivory hatrany manamafy ny ady amin’ny fiparitahan’ny valan’aretina COVID-19 sy ny valan’aretina Dengue, ireo tompon’andraikitra ara-pahasalamana sy ireo tompon’andraikitra ara-panjakana notarihin’ny Lehiben’ny faritra Boeny mpisolotoerana, Atoa Bazezy Vanombe Clavelah, ny alatsinainy 25 May teo, tao amin’ny “Centre de Commandement Opérationnel” COVID-19 Boeny ao Mahajanga. Nohamafisin’ny avy ao amin’ny CCO Boeny àry fa ny paikady mahomby hisorohana ny fiparitahan’ny COVID-19 ao amin’ny faritra Boeny, dia ny tsy maintsy hanaovan’ny rehetra ny arovava sy orona.

Taorian’ny fivoriana dia tonga nanolotra fanafody sy kojakoja ara-pahasalamana ho an’ny CCO COVID-19 Boeny ireo solotenan’ireo farmasia mpivarotra fanafody ao an-tampon-tanànan’i Mahajanga. Ka « sérum, vitamine C, paracétamols, masques, gels hydroalcooliques, cotons » ary « compresses » no natolotr’izy ireo. Natao hitsinjovana ireo mpiara-belona sy hitsaboana ireo marary raha sanatria misy tratran’ny COVID-19, ireo fanomezana ireo. Taorian’izay dia ny solotenan’ny CCO Boeny indray, izay notarihin’ny Lehiben’ny faritra, no nandeha nanolotra fanafody sy fitaovana ara-pahasalamana avy amin’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka ho ampiasain’ny hopitaly CHU PzaGa Androva Mahajanga. “Extracteur d’oxygène, masques d’oxygène” ho an’ny ankizy sy ny olon-dehibe, savony, “serpillères”, ary “combinaisons” aron’akanjo ho an’ireo mpitsabo. Ireo no fanomezana natolotry ny CCO Boeny tamin’Atoa Talen’ny hopitaly CHU PZaGa Androva. Ankoatra izay dia manao antso avo ary mangataka fiaraha-miasa amin’ireo tsara-sitrapo sy malala-tànana ny Lehiben’ny faritra mba honolotra arovava sy orona ho an’ireo vahoakan’i Boeny izay tsy ampy fahefa-mividy an’izany, hoy izy.

Vous aimerez aussi