Ny fahaizana mitrandraka sy mampivelatra miandalana ny talenta voajanahary avy amin’Andriamanitra laroina fahavononana sy finoana lalimpaka ho amin’ny fandresena ireo endrika adim-piainana ary ny fahaizana mandalina sy manadihady ireo tranga rehetra miseho eto ambonin’ny tany. Ireo no azo ambara fa anisan’ny fanalahidy volamena antoka ho amin’ny fahombiazana eo amin’ny fiainan-janak’OIombelona, hoy ny Coach Fabien Rakotoarimanana.
Nomarihany fa anisan’ny olana goavana ankehitriny eo amin’ny Malagasy tsy higohany fahombiazana sy hibatany ny fandresena ny toe-tsaina mora kivy sy resy tsy miady avy hatrany eo am-piatrehana ny onjam-piainana. Vokany, tsy afaka miseho masoandro ilay talenta voajanahary hiteraka loharanon-karena fa saron’ireo fahalemena ireo. Ny fahaizana mandinika ny zava-mitranga sy ny fampifandrifiana izany amin’ny talenta voaajanahary ihany koa no hahazoam-pahombiazana eo amin’ny fiainana ary hitarika hatrany amin’ny fahafahana mamorona orinasa madinika izay nianga tamin’ny tsy misy izany, hoy hatrany ny Coach Fabien. Takiana ihany koa ny hananana toe-tsaina tia mandray risika voalanjalanja sy voarefy eo am-pandraisana fanapahan-kevitra iray mba hiteraka vokatsoa izany.
Mila halavirina toy ny fasam-bao ilay toe-tsaina miiba sy ny fitiavan-tena diso tafahoatra ary tafiana ny herim-batana, herin-tsaina ary indrindra ny herim-panahy. Ity farany izay azo tovozina anatin’ny baiboly mirakitra ireo tenin’Andriamanitra. Tsy tongatonga ho azy, araka izany, ny fahombiazana fa mitaky fahavononana, fahaizana mandalina sy mamakafaka ary mandrindra ny fomba fisaina sy fiasa amin’ny talenta voajanahary ananan’ny tsirairay. Raha tanteraka ireo, ho afaka « Hifampisintona miakatra ambony ny Malagasy rehetra ary hanjaka ny fifaliana, fanetretena ary ny fitiavana, izay antoky ny firindran’ny fiarahamonina sy ny fahombiazana ho an’ny isam-batan’olona eto am-pamakivakiana ny fiainana fandalovana. Aza adinoina ny manankina am-bavaka ny fiainanao isan’andro.
