Miisa 100 indray no indray voa tamin’ity andro ity. Maherin’ny 50 amin’ireo no teto Antananarivo. Tsy vitsy koa anefa ny faritra hafa ahitana marary vaovao. 2403 izany no isan’ny voa rehetra hatrizay.
Nahitana trangam-pahafatesana 2 koa anefa ny androany. 24 izany iro lavo hatrizay.
34 kosa ireo sitrana, ka mitontaly 1040 izy ireo.
1339 ireo mbola tsaboina, ka 28 no manana fahasemporana.
22788 kosa ny totalin’ny fitiliana vita hatramin’izay.
Mampivarahontsana
Mampivarahontsana ny tarehimarika nivoaka tato ho ato. Efa tafakatra 100 ireo voatily ho mitondra ny tsimokaretina. Mbola andrasana anefa ny isan’ireo voa izay efa an-dàlam-pitiliana, etsy amin’ny Village Voara, raha ny eto an-drenivohitra manokana no asian-teny. Na izany aza, ahitana tsirairay ihany koa ny voa any amin’ny Faritra samihafa.
Toy izany koa ny fisian’ny namoy aina, izay nahenoina izany saika isan’andro, tao ho ao.
Ho vaha-olana ve ny hiverenana amin’ny fihibohana tanteraka ? Ny vahoaka anefa ao anaty fahasahiranana, ny fanampiana avy amin’ny Fanjakana toa tsy mahasehika ny vahoaka. Ny fitandremana anefa nanjary goragora.
Ny fifehezan-tenan’ny tsirairay ihany anefa no paik’ady tsara indrindra. Mila ampitomboina ny fanentanana.
