CORONAVIRUS : 44 no voa tamin’ny fitiliana 339 natao

Miisa 44 indray ireo olona vaovao mitondra ny tsimokaretina coronavirus, araka ny fanambarana ofisialy androany. Fitiliana miisa 339 nataon’ny IPM sy ny HJRA no nahitana izany.

Miisa 1 138, araka izany, ny isan’ireo nahitana ity tsimokaretina ity teto amintsika.

Miisa 20 kosa ireo sitrana tamin’ity anio ity, ka 18 tao Toamasina ary 2 tetsy Befelatanana. 274 izany ireo sitrana hatramin’izay.

856 ireo mbola tsaboina, ka 9 no manana fahasarotana, izay 4 any Toamasina, 4 ao Befelatanana ary 1 eny Andohatapenaka.

Mitontaly 14 106 kosa ny isan’ny fitiliana natao hatramin’izay nisian’ity valanaretina ity.

Mihamifanerasera ny olona

Raha ny fahitana azy dia efa miverina amin’ny laoniny ny fiainana andavanandro, raha ny eto an-drenivohitra. Toa efa mivoha avokoa ny toeram-piasana samihafa na dia mbola manao tapak’andro aza ny hafa. Toy izany koa ny sekoly sasany.

Manaraka izany fomba izany koa ny fitaterana ka dia efa tsikaritra ny fisian’ny taksibe manao laharan-dimy eny am-pifamoivoizana eny.

Tsy voafehy intsony, noho izany, ny fielanelanana iray metatra. Ny sarontava no hany sisa ahalalana fa mbola misy otrikaretina iadiana eto.

Ny tapak’andro hariva vao mba hentitra ny mpitandro filaminana ka manao fisavana ireo mpivarotra hatreny an’elanelantrano rehetra eny.

Sadasada ihany ny fihibohana ka tokony ho samy hahay hiaro-tena ny tsirairay avy.

Vous aimerez aussi