Tsy velona amin’ny maripana 26-27° C ny valanaretina coronavirus fa ny hatsiaka ihany no tena manome vahana azy. Fanadihadiana efa nataon’ny Sampandraharan’ny Firenena mikambana izany.
Noho izany, rano mafana na rano natanina andro no tena ilaina ho sotroina mba hisorohana ny valanaretina.
Araka izany, aleo aloha hajanona ny fihinanana sakafo mangatsiaka, toy ny glasy sy ny rano mangatsiaka ary ny sakafo hohanina mivantana avy ao anaty vata fampangatsiahana.
Zava-dehibe koa ny fanadiovana ny ati-tenda amin’ny alalan’ny gararaka vita amin’ny rano mafana sy sira. Misakana ny fijanonan’ny valanaretina ao amin’ny avokavoka izany.
Fahadiovan’ny tànana
Ho an’ny ety ivelany kosa dia ny fitandroana ny fahadiovana amin’ny alalan’ny fisasana tànana matetika no fisorohana azy.
Afaka miaina mandritra ny 12 ora manko ilay virus raha mipetraka eny amin’ny karazam-by samihafa eny. Koa ny tànana mety ho nifandray tamin’izany dia mila sasana amin’ny akora mamono mikraoba, fantatra amin’ny hoe gel na alcool désinfectant.
Raha amin’ny lamba kosa dia maharitra 9 ora ny fahavelomany. Ilaina, araka izany, ny fisoloana sy fanadiovana ny fitafiana, ary ny fanahazana azy amin’ny hain’andro ka tokony hatao tsara pasoka ihany.
Tapim-bava
Lehibe ity virus ity, hoy ny manam-pahaizana ka voasakan’ny fitaovana fanapenam-bava ny fiparitahany.
Tsy mifindra amin’ny alalan’ny rivotra kosa izy fa mifindra rehefa tonga eny amin’ny tany sy ny fitaovana samihafa.
Izany no antony hanondrahana ranom-panafody ny toerana rehetra mba isorohana ny fifindrany amin’ny olombelona.
Azo ambara ho tsy sarotra loatra, noho izany, ny fisorohana ity valanaretina ity. Ny fitandremana sy ny fahadiovana dia ampy.
