Tranga vaovao 6 no voatily androany, ka ao Toamasina avokoa izy ireo, araka ny fitiliana miisa 20 natao. Tsy nahitana tranga vaovao kosa ny teto Antananarivo, tamin’ny fitiliana 213. Araka izany dia miisa 192 no voa hatrizay.
2 kosa no isan’ireo sitrana ka nivoaka ny hopitaly androany. Izany hoe miisa 107 ny tontalin’ireo efa voatsabo.
Noho izany, 87 ireo mbola tsaboina manerana ny Nosy, izay tsy ahitana marary mafy.
Ny hopitalin’i Toamasina no be marary indrindra
Nirongatra ny tranga ao Toamasina tao anatin’ny andro vitsy monja. Ny hopitaly ao an-toerana no mitsabo marary be indrindra ary tsy mifidy taona, satria nisy ny zaza herintaona voa omaly.
Ho an’ny androany kosa dia misy tanora vao erotrerony, satria 13 sy 14 taona no voa.
Manaraka ny hopitalin’i Toamasina dia ny etsy Befelatanana no mitsabo marary betsaka.
Tsy ny rehetra no tokony hivoaka
Mbola ao anatin’ny ady tanteraka isika, amin’ity valanaretina ity. Mila mitandrina fatratra ireo olona tsy maintsy mivoaka ny trano. Izay mety ho raharaha any ivelany ka azo ampandeferina dia tsy tokony ho antony hivoahana ny trano velively.
Noho izany, tokony hanaovana hatrany ny arontava mba hanarona ny orona sy ny vava.
Mila hajaina hatrany ny elanelana 1 metatra mba tsy hifampikasohana satria avy amin’ireo no atahorana indrindra hifindran’ny otrikaretina. Misy manko ny olona efa mitondra ny otrikaretina kanefa tsy ahitana soritra amin’izany na kely aza.
Rehefa ny tsirairay no manaja ny fepetra dia voafehy io otrikaretina io.
