Lehilahy iray, 44 taona, diabetika, notsaboina tao Morafeno Toamasina no nodimandry noho ny tsimokaretina coronavirus, araka ny filazam-baovao ofisialy androany. Mitontaly 8 izany ireo lavon’ity aretina ity.
51 kosa no isan’ireo vaovao voatily mitondra ny tsimokaretina, araka ny fitiliana miisa 325 natao, ka ny 28 teto Antananarivo, ny 22 tao Toamasina ary 1 tao Matsiatra Ambony. 1 026 izany ny isan’ireo voan’ity tsimokaretina ity hatrizay.
Nisy 11 kosa ny isan’ireo sitrana tamin’ity andro ity, ka ny 3 tao Anosiala, 5 tao Befelatanana ary 3 tany Taolagnaro. Tafakatra 212 izany ireo sitrana hatreto.
Miisa 807 izany izao no mbola manaraka fitsaboana, ka ny 8 amin’izy ireo no manana fahasarotana. Ny 4 any Toamasina ary 4 kosa etsy Befelatanana.
Mitontaly 13 230 kosa ny isan’ny fitiliana natao hatramin’ny nisian’ity valanaretina ity.
Mila fitandremana
Na dia tsy mifidy hasiana aza ity tsimokaretina ity dia mila fitandremana manokana ireo olona taizan’aretina, toy ny diabetika, ny misy tosidrà, ny voan’ny homamiadana, ny marary fo sy voa,…
Mila tandremana fatratra ny piti-drora sy ny fifampikasohana, izay fototra fifindran’ny tsimokaretina. Tsy hita maso izany tsimokaretina izany ka ilaina hanaovana mandrakariva ny sarontava mba iarovana ny tena sy ny hafa manodidina antsika.
