CORONAVIRUS : Tsy mitsaha-mitombo ny voany

83 no voatily ho voan’ny aretina coronavirus androany. Ny 74 tamin’izy ireo dia teto Analamanga avokoa, 4 Vakinankaratra, 2 Fenoarivo Atsinanana, 1 Moramanga,…. Mahatratra 2 005 izany ny isan’ny voa hatrizay ?

Mihazakazaka  fatratra ny tarehimarika ka hahatratra 409 no voa tao anatin’ny herinandro.

Araka ny filazana ofisialy dia nahatratra 45 kosa ny sitrana androany, izay mitontaly 907 izy ireo hatrizay.

1083 ireo mbola manaraka fitsaboana ka ny 21 amin’ireo no manana fahasoratana ara-pahasalamana. Mitontaly 20 066 kosa sy ny isan’ny fitiliana rehetra vita hatrizay.

Mijanona ho 16 hatrany kosa ny isan’ireo namoy ny ainy.

Misoko mangina

Misoko mangina ny tarehimarika. Toa mandrimandry manana aretina isika. Variana sy mirona lalina amin’ny fitadiavana ka toa adino tanterka ny fisian’ny valanaretina eto amintsika.

Aoka hijanona ho fahazarana hatrany ny fanaovana sarontava sy ny fielanelanana iray metatra sao sanatria tampohin’ny zavatra tsy ampoizina ka sahirana eto.

Vous aimerez aussi