FAHA-185 TAONAN’NY BAIBOLY : Baiboly miisa 185 no hozaraina maimaipoana

Baiboly miisa 185 no hozarain’ny Fikambanana Mampiely Baiboly maimaipoana manerana ny Nosy amin’izao fotoam-pankalazana ny faha-185 taonan’ny Baiboly Malagasy izao.

Na izany aza dia misy ny fepetra ahazoana izany dia ny fanoratana any amin’ny Fikambanana Mampiely Baiboly, na mandefa horonan-tsary na feo, ny amin’ny antony ilanao io Baiboly io.

Ny tanjona amin’izany moa dia ny ahafantarana marina ny tena ilaina io boky io.

Azo aterina mivantana eny amin’ny Fikambanana Mampiely Baiboly eny Ampasapito ihany koa io antony ilanao io boky io, ankoatra ny taratasy izay alefa paositra, ho an’ny any lavitra. Azo atao ihany koa ny mandefa izany amin’ny mailaka.

Azo ampitaina amin’ny olona akaiky anao ihany koa ny hafatra raha fantatrao fa olona mpitory ny tenin’Andriamanitra izy na kristiana tsotra na tsy manana fahefana hisitraka izany na tsy mbola manana Baiboly,…

Amin’ny maha-iray volan’ny ankizy izao vanim-potoana izao dia misy ny fihenam-bidy amin’ny Baiboly izay natokana ho azy ireo. Misy koa anefa izany ho an’ireo karazana Baiboly hafa.

Vous aimerez aussi