FAMADIHANA SAFIDIM-BAHOAKA TANY BEKOPAKA : Nirotsaka an-dalambe ireo mponina

Malahelo ireo mponina any amin’ny Kaominina Bekopaka amin’izao fotoana izao. Antony dia satria novaina ny safidin’izy ireo tamin’ny fifidianana ben’ny tanàna farany teo. Ny kandida Miandrizoky Jean Bapiste Franklin izay nitondra ny laharana fahaefatra no lany voafidy ho ben’ny tanàna tao amin’ity kaominina ity kanefa dia novaina ho kandida hafa izany.

Ny kandida Miandrizoky Jean Bapiste Franklin no nandresy tamin’iny fifidianana ben’ny tanàna farany teo tany amin’ny CMRV Antsahalova. Nandresy ihany koa izy tamin’ny fanambarana ofisialin’ny Vaomiera Mahaleo Tena na ny CENI Provinsialy. Nandresy ihany koa izy tany amin’ny “Tribunal Administratif” Mahajanga izay namoaka ny voka-pifidianana ofisialy. Izy io izay vokatra tany amin’ny Faritanin’i Mahajanga. Ity olom-boafidy ity izay efa nahazo didy ary efa niasa amam-bolana ihany koa tany amin’ity kaominina Bekopaka ity. Gaga anefa ankehitriny ireo mponina any an-toerana fa navadika ny safidin’izy ireo tamin’ny alalan’ny didy navoakan’ny “Conseil d’Etat” tamin’ny alarobia 25 jona 2025. Ny kandida lany indray mantsy no navadika ho tsy lany.

Nanoloana io didy navoaka io dia nanao fanambarana ireo mponina any amin’ny kaominin’i Bekopaka fa hidina an-dalambe ary tsy hanaiky hatramin’ny farany. Izy ireo izay efa nanatontosa izany fidinana an-dalambe izany. Nanao antso avo amin’ireo tompon’andraikitra isan’ambaratongany izay voakasika indrindra fa ny Filoham-pirenena mba hijery akaiky ity tranga miseho any amin’ny kaominina Bekopaka ity. Amin’izao fotoana izao anefa dia misy ity sehon-javatra ity ka ho hita eo ny tohin’ity raharaha ity. Ireo mponina any an-toerana izay miely patrana ao amin’ireo fokontany 11 mandrafitra ny kaominina Bekopaka dia manohy hatrany ny hetsika fanoherana izay efa nanomboka ny alarobia 25 jona 2025 na nanajanona izany aza izy ireo ny 26 jona 2025 mba ho fanajana ny fankalazana ny fetim-pirenena.

Ilay kandida ben’ny tanàna mitondra ny laharana faharoa izay nolazaina fa lany amin’izao fotona izao dia mbola tsy naneho ny heviny ka andrasana ihany koa izay ambarany manolona ny zava-misy. Izy izay kandida tsy miankina fony izy nirotsaka ho fidiana ho ben’ny tanàna tany amin’ny kaominina Bekopaka. Antony nanovan’ny “conseil d’Etat” ity fifidianana ben’ny tanàna tany amin’ny kaominina Bekopaka ity dia ny hoe: biraom-pifidianana niisa roa no novonoina vato tamin’ilay notarihan’ilay kandida ben’ny tanàna voasafidim-bahoka soa aman-tsara. Izay vao afaka niakatra ny vaton’ilay kandida nolazaina fa lany tamin’ny fifidianana. Ankoatra izay dia ny vaton’ilay nosafidian’ny mponina no lazaina fa an’ilay tsy lany. Izany hoe: famadihana vato no nitondran’izy ireo ny raharaha. Antony mahatonga ireo mponina any amin’ny distrikan’i Bekopaka ho tezitra. Novaina ny safidin’izy ireo.

Ny alakamisy 26 jona 2025 dia mbola nanao fanambarana ireto mponina ireto. Ny zoma 27 jona 2025 dia nanohy ny fidinana an-dalambe indray izy ireo. Misy “bureau de vote” miisa 13 any amin’ny kaominina Bekopaka. Ity ben’ny tanàna izay lany soa aman-tsara tamin’ny safidim-bahoaka ity dia efa ben’ny tanàna tao amin’ny kaominina Bekopaka ny taoana 2015 ka hatramin’ny taona 2020. Tsy nandray anjara indray anefa izy ny fidinana taorian’izay dia ny taona 2020 ka hatramin’ny taona 2024. Nirotsaka hofidiana indray anefa izy ny taona 2024 ka izao lanim-bahoaka izao indray. Ny kaominina Bekopaka izay any any amin’ny distrikan’Antsahalova any amin’ny faritra Melaky. Izy izay ahitana ny tsingin’i Bemaraha izay manintona mpizaha tany betsaka indrindra eto Madagasikara, araka ny fanazavana voaray.

Vous aimerez aussi