FANAMPIANA NY TRABOINA : Mba ataovy « sérieux » !

Omaly niantso fanampiana. Androany tsy mila indray. Ohatran’ny lasa kilalao ny fiainam-pirenena. Indrindra ny fiainan’ireo traboina mila fanampiana maika.

Tsy mitovy hevitra mihitsy va re ny mpitondra sa diso fandraisana fanapahan-kevitra ?

Nambara ny « voinam-pirenena », teo anivon’ny Filankevitry ny Governemanta mba hanaovana antso avo amin’izao tontolo izao fa tra-doza ny firenena Malagasy ka mila fanampiana. Ny ampitso anefa dia manao filazana indray ny Minisitra fa tsy azo atao ny fanangonana fanampiana.

Hoy ny Ministeran’ny Atitany

« Efa mandray ny andraikiny tanteraka ny Fanjakana amin’ny fisahanana ny tandindon-doza sy ny loza, ny fanarenana ary ny fandrindrana ny fanampiana rehetra. Noho izany, mba hisorohana izay mety ho fanararaotana dia tsy azo atao manerana ny tanim-pirenena Malagasy ny « téléthon » na ny fanangonam-bola na fanangonana fanampiana ataon’olontsotra na fikambanana na vondron’olona samihafa. », hoy ny fanambaran’ny Ministeran’ny Atitany sy ny Fitsinjarampahefana.

Vitan’ny Fanjakana irery

Efa maro anefa ny mpiray tanindrazana no nandray ny andraikiny avy hatrany ho vonjy rano vaky, ka nitady hevitra ny hanangonam-bola na fitaovana na fitafiana,… mba hamonjena ireo traboina. Anisan’izany ny Faritra Matsiatra Ambony, izay nanatanteraka avy hatrany ny « fitia tsy mba hetra » tany an-toerana raha vao nahare ny filazana ny amin’ny tokony ho fifanampiana.

Mazava anefa ny fanambarana, izay midika fa tsy atokisan’ny Fitondrana nanendry azy na dia ny Governora aza.

Ariana ny Fihavanana

Zava-dehibe eo amin’ny Fihavanana malagasy ny fifanohanana tahaka izao, indrindra fa amin’ny loza namoizan’ain’olona, kanefa dia norarana tsy atao indray izany.

Mety tsy kely làlana tokoa ny mpanararaotra kanefa tsy vonona ny hanara-maso izany ny Fitondrana raha araka izao fanambarana ataony izao.

Vous aimerez aussi