Nanomboka ny taona 2015 nijoroan’ny fikambanana “Mpikabary Hajan’ny Gasy”, izay tarihan’ny filoha nasionalin’ny Rahajasoa Honoré, dia efa aman-jatony maro ireo mpianatra navoakan’ny fikambanana ho mpikabary matihanina. Ireo avy nandranto fahaizana amam-pahalalana ireo izay tonga dia efa afaka mikabary avy hatrany amin’ireo kazaran-kabary misy eto amintsika. Na an-kafaliana izany na an-karatsiana kanefa afaka manentana amin’ny lanonana maro samihafa ihany koa.
Mampiavaka ny fomba fampianaran’ny fikambanana “Mpikabary Hajan’ny Gasy” ny kabary izay atolony ireo mpianany ny fananan’ny fikambanana fototra iaingana amin’izay fampianarana izay. Ny olon-drehetra araka izany dia natao hahafehy kabary avokoa. Tsy anavahana sokajy na taona rahateo ny fianarana kabary. Roa volana nianarana kabary araka izany ireo mpianatra dia efa afaka mikabary saingy telo volana kosa no fe-potoam-pianarana apetraky ny fikambanana.
“Reharehako ny mahagasy ahy” no teny filamatry ny fikambanana “Mpikabary Hajan’ny Gasy” amin’izany fampianarana kabary atolony izany. Tanjon’ny fikambanana ny mba hireharehan’ny Malagasy tsirairay amin’ny mahamalagasy azy. Mirehareha fa Malagasy isika satria ny Malagasy dia manana harena amin’ny alalan’ny teny. Io teny io izay ampifanindran-dalan’ny fikambanana amin’ny voasoratra ao amin’ny Soratra Masina Filipiana 4:13 manao hoe: “Mahay ny zavatra rehetra aho ao amin’ilay mampahery ahy”. Ny Malagasy mihitsy no manana ny zavatra rehetra araka izany. Tamin’ny voalohany ny teny ary ny teny dia Andriamanitra ary ny teny dia tao amin’Andriamanitra. Ny teny dia nonina tamintsika. Izany indrindra no hanomezan’ny fikambanana “Mpikabary Hajan’ny Gasy”, lanja ny teny, amin’ny alalan’ny kabary.
Ny hilazan’ny fikambanana ihany koa fa “Masina ny teny” araka ny voalaza manao hoe: “fa itony teny itony no hanajana itony tany itony. Izay manaja itony teny itony no hajain’itony tany itony fa ny teny sy ny tany dia mifamatotra. Izay fifamatoran’ny teny sy ny tany izay mihitsy no hifamatoran’ny ra sy ny fahendrena ao anatintsika ao. Ny asan-kabary izay asan’Andriamanitra”. Ny fikambanana “Mpikabary Hajan’ny Gasy” izay manana ny foiben-toerany eny Anosibe dia namoaka ny andiany faha-12 tamin’ireo mpianatra nandranto fahaizana amam-pahalalana tao aminy, ny alahady 6 jolay 2025, teny Anosizato Atsinanana I. Izy ireo izay niisa 25. Ny dingam-piofanana no vitan’ireto mpianatra navoaka ireto raha hiditra amin’ny dingam-pandalinana indray izy ireo manomboka izao. Ny teny izay mivoatra isan’andro satria velona sy miaina izy. Mampiditra mpianatra hianatra kabary isan’andro ny fikambanana “Mpikabary Hajan’ny Gasy”, araka ny fanazavan’ny filoha nasionalin’ny fikambanana “Mpikabary Hajan’ny Gasy”, Rahajasoa Honoré.
