Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, teny amin’ny kianja Barea Mahamasina, ny zoma 28 may 2025, ny Foara momba ny karazan-javamananaina. Hetsika izay natokana indrindra ho amin’ny andro maneran-tany ho an’ny karazan-javamananaina. Ny fitantanana maharitra sy ny hasarobidin’ny karazan-javamananaina izay navoitra tamin’ny fanomezan-danja ny natiora sy ireo soa azo avy aminy eo amin’ny fiainan’ny zanak’olombelona no nasongadina tamin’ity hetsika ity. Ny tontolon’ny zanak’olombelona izay efa tena simba tanteraka ankehitriny indrindra fa ireo rohivoahary ao aminy ka rariny raha arindra miaraka amin’ny natiora izany fomba fiaina izany mba hametrahana lova tsara ho an’ny taranaka fara-mandimby.
Nanomezan-danja sy nanasongadinana indray ny natiora sy ireo soa entiny araka izany ny Foara momba ny karazan-javamananaina. Noho ny asa tanan’ny zanak’olombelona ihany matetika no mahatonga ny fahasimban’ny tontolo iainana indrindra fa ny fahapotehan’ireo karazan-javamananaina ireo. Asa tanan’ny zanak’olombelona izay miseho amin’ny endrika fitrandrahana tsy ara-dalàna sy ara-drariny. Eo ihany koa ny doro ala sy ny doro tanety indrindra fa ny tavy. Ankoatra izay ireo karazana tsindry maro samihafa izay tena mihamafy tokoa amin’izao fotoana izao. Anisan’izany ny fiovaovan’ny toetrandro izay manimba ny toeram-ponenana sy ny tontolo iainan’ireo biby. Fiovaovan’ny toetrandro izay mahatonga ranobe sy rivo-doza ary hafanana sy hatsiaka diso tafahoatra. Noho ireo rehetra ireo dia nitady paikady hiatrehana izany ireo tompon’andraikitra. Antony nampandraisana anjara ny eny ifotony. Nomena tombontsoa araka izany ireo vondron’olona ireo mba fanamafisan’izy ireo indray izany fikajiana ny tontolo iainana izany indrindra fa ny rohivoahary.
Ny vola azontsika amin’ny fivarotana karibaonina izay mahatratra 39 miliara araka izany dia anisany hampisitrahana ireo vondron’olona eny ifotony ireo. Entina hanatsarana sy hampitomboina ihany koa ireo tokony ho mbola loharanom-bola azo hampiasaina amin’izy ireo. Izany indrindra no nanolorana mari-pankasitrahana ireo maherifon’ny karazan-javamananaina miisa 20 izay misehatra eo amin’ny fiarovana ny harena voajanahary eto Madagasikara. Ity Foaran’ny karazan-javamananaina ity dia nofaranana ny 29 mai 2025. Izy io izay nandraisan’ny minisitera, ny kaominina, ny mpiara-miombon’antoka sy ny sehatra tsy miankina ary ny fikambanana ara-tontolo iainana, anjara, araka ny fanazavana voaray.
