Tsy nisy ny aina nafoy sady tsy nisy ny naratra fa fiara iray no potiky ny afo tanteraka niampy ny ampahany amin’ny orinasa Mad Import teo aloha izay eny amin’ny fokontany Anosizato Atsinanana II. Ny entana nipetraka tao amin’ity orinasa ity ihany koa dia rotiky ny afo avokoa.
Nanomboka tamin’ny 10h ora alina ny andron’ny alahady 22 jona 2025 no nirehitra ny afo ka amin’izao alatsinainy 23 jona 2025 amin’ny 2ora 30 maraina izao izay anoratanay dia mbola tsy voafehy izany. Tokony ho tamin’ny 11h 30 alina ny alahady ny Sampana Mpamonjy voina avy eny Tsaralalana no namono ny afo. Ankoatra ny fanatontosan’ny Sampana Mpamonjy voina ny asany dia nanolo-tanana azy ireo ny mponina manodidina ity orinasa eny amin’ny arrêt vavahady manga ity mba hamonoana izany afo izany. Hatramin’izao dia mbola tsy fantatra ny nihavian’ny afo. Noho ny rivotra mitsoaka ihany koa anefa dia miitatra hatrany ny afo, araka ny fanazavana voaray.
