GOVERNORA ALAOTRA MANGORO : Manaraka ny fepetra ara-pahasalamana rehetra ny distrika 5

Nambaran’ny governora Alaotra Mangoro, ny dokotera Ramandehamanana Richard, fa anisan’ny nahitana trangan’aretina covid-19 ny faritra Alaotra Mangoro. Nahitana izany ny tany Ambatondrazaka sy Andilamena ary Moramanga. Vao niseho ny tranga, dia efa nilomay ireo tompon’andraikitra tany Alaotra, nahitana ny governora, ny depiote, ny mpitandro ny filaminana, ny fikambanana samy hafa, ka nasaina nanaraka ny fepetra napetraky ny fitondram-panjakana ny vahoakan’Alaotra. Tsy maintsy manao arovava ny olon-drehetra ary manaraka ny hamehana ara-pahasalamana ihany koa. Araka ny fanazavan’ny governoran’ny faritra hatrany, fa ny distrika 5 mandrafitra ny faritra dia tsy maintsy manaraka ny fepetra ara-pahasalamana avokoa, araka ny baiko nomen’ny filohampirenena AndryRajoelina, hoy izy. Nisaotra manokana ny mpitandro ny filaminana ny governora tamin’ny fampiharana ny sazy ho an’ireo tratra tsy manao arovava. Eo koa ny fanarahana ny “Protocole de Sanitaire” sy “Agentde sanitaire” ao amin’ny faritra. Misy ireo « Centre » sy « Protocole » ireo ny ao Moramanga syAmbatondrazaka, ho fiarovana ny ain’ny olona ary eo koa ny fanentanana azy ireo mba hanao fitiliana na « test ». Raha misy olona ahiana ka mitondra ny tsimokaretina dia arahimaso ny fahasalamany. Raha misy kosa ny “cas grave” dia alefa aty Antananarivo avy hatrany ilay marary, hoy hatrany ny governora. Hentitra koa ny fisavana sy ny fanaraha-maso ny fivezivezen’ny olona ao amin’ny faritra manomboka izao, hoy hatrany izy.

Nahazo hopitaly i Moramanga

Tontosa ny herinandro teo, ny fanolorana tamin’ny fomba ofisialy ny toeram- pitsaboana ao amin’ny Hopitaly “annexe” Ambohitranjavidy ao amin’ny distrikan’i Moramanga, faritra AlaotraMangoro, izay toerana handraisana an’ireo olona mitondra ny tsimokaretina Covid-19 any amin’ity distrika ity, rehefa nasiana fanavaozana sy fanatsarana. Nanolotra izany tamin’ny fomba ofisialy ny Governoran’ny Faritra Alaotra Mangoro, atoa Richard Ramandehamananasy ny solombavambahoaka Rakotonirina Augustin sy ireo olo-manakaja maro tany an-toerana, ny mpiasan’ny fahasalamana sy ny sampan-draharaham-panjakana rehetra, ny mpitandro filaminana sy ireo mpiara- miombon’antoka ary ireo mahalala tanana rehetra. “Ny fiaraha- mientana sy ny firaisankina ihany no fomba mahomby handresintsika an’ity fahavalo tsy hita maso ity, hoy ny Governora Ramandehamanana Richard nandritra ny fandraisam-pitenenany. Mankahery mandrakariva antsika vahoaka amin’ny fiatrehana ny ady amin’ity valan’aretina ity, hoy izy, ary mbola manentana antsika ihany koa hanaja ireo toromarika sy fepetra ara- pahasalamana rehetra,mba hiarovana ny isam- batan’olona”, hoy hatrany izy.

Vous aimerez aussi