GROUPE « HERITSAINA ZJ » : Niteraka fahasoavana ny fahenoana ny sanganasany

Ny taona 2000 no nanomboka nanajary hira i Rakotoarisoa Heritsaina Andry, mpitarika ny Groupe « Heritsaina Zanak’i Jesosy ». Valibabena « Tamberim-bidy » ho an’Andriamanitra noho ireo fitahiana ara-nofo sy ara-panahy maro narotsany sy ny mbola hatolony, hoy i Heritsaina no naharesy lahatra ahy tanteraka hampiasa manontolo ny talenta izay ananako eo amin’ny lafiny famoronana sy fandrindrana hira ary fitendrena zavamaneno ho amin’ny asa fitoriana sy fiderana ary fitaomana ny Olombelona ho an’i Kristy. Iraka ampanaovin’ny Tompo ny tarika ihany koa ny hanamafy orina bebe kokoa hatrany ny finoana an’Andriamanitra ao anatin’ny tsirairay. Ampahany amin’ireo hiran’ny Groupe « Heritsaina ZJ » efa be mpankafy ny « Rendez-vous Jerosalema ! » voarindra amin’ny gadona Salegy. Inty sanganasa inty izay marihana fa niteraka fahasitranana ho an’Olona iray izay efa nalemy nandritra ny 08 volana angarangidina ny fahenoana azy.

Ny taona 2016 i Rakotoarisoa Heritsaina Andry no nanapa-kevitra fa hiditra miandalana ho amin’ny sehatra maha matihanina amin’ny fiangaliana ny hira evenjelika. Teo no namoahany ny kapila mangirana laharana voalohany « Tour-ko’zao » Tombony ho azy ny nilonany an-taonany maro teny anivon’ny Antoko mpihira sy ny nitendreny zavamaneno tao am-piangonana. Tsy mihanona amin’ny gadona tokam-bolo ny hira evenjelikan’ny Groupe « Heritsaina ZJ » fa misandrahaka amin’ny bankira rehetra (milamina sy mihetsika). Ny ahafahana mampita ny hafatra raiketin’ireo tononkira amin’ireo sokajin-taona rehetra tsy ankanavaka mipariaka maneran-tany no tsy maintsy namolahana ny fomba filalaovana ny mozika rehetra misy eto ambany masoandro, hoy i Heritsaina. Ny volana novambra ho avy izao dia handray anjara amin’ny « Andao hidera tour » izy ireo. Nampanantena i Heritsaina fa hitohy ary tsy ho tapaka intsony ny fiakarana an-tsehatra ho an’ny Groupe « Heritsaina ZJ ». Hipaka hatrany amin’ny distrika sy ny Kaominina maro izany ho fanabeazam-boho ny asan’Andriamanitra raha ny nanteriny hatrany. Misokatra malalaka amin’ny fiaraha-miasa rahateo ny tarika.

Vous aimerez aussi