Teknolojia avo lenta izay efa miroborobo fatratra eo amin’ny andavanandrom-piainan’ny zanak’olombelona ankehitriny ny “Intelligence Artificielle” na ny “IA”. Na eo amin’ny lafiny fanabeazana aza dia efa maro amin’ireo Sekoly Ambony sy ny Oniversite tsy miankina eto Madagasikara no mirona tanteraka amin’ny fampiasana azy na eo aza ny fanarahana ny Rafitra “LMD” eto amintsika. Rafitra izay mbola hita fa manjaka ihany koa any an-tsekoly. Anisan’ireo Oniversite tsy miankina efa mampihatra ny fivoaran’ny “IA” ny Oniversite “GSI” izay manana ny foiben-toerany eny Antaninarenina kanefa efa misandrahaka manerana ny Nosy.
Efa ahitana ny “IA” avokoa araka izany ireo taranja hampianarina ao amin’ity Oniversite tsy miankina izay mampiofana ireo tanora mpianatra eo amin’ny tontolon’ny serasera ity na eo aza ny resaka Robotika. Manoloana ny fivoaran’ity teknolojia avo lenta “IA” ity dia maro ireo miahiahy fa mety hampihena ny faharanitan-tsainan’ny zanak’olombelona izany. Eo amin’ireo tanora mpianatra indrindra no tena mipetraka izay ahiahy izay noho izy ity mamaly ny filàn’ny zanak’olombelona eo amin’ny lafiny maro. Ny zanak’olombelona izay efa tena miankin-doha tanteraka amin’ny “IA” na eo amin’ny sehatry ny asa izany na eo amin’ny sehatry ny fampianarana sy ny fianarana. Ilaina tanteraka eo amin’ny sehatry ny fampianarana sy ny fianarana ny “IA” anefa ny “IA” saingy heverina fa tsy hisy ny fiantraikany ratsy eo amin’ireo mandranto fahaizana amam-pahalalana izany.
Anisan’ireo manome toky amin’izany ny Oniversite tsy miankina “GSI” satria efa manana paikady manokana ho entina miatrika izany firoboroboan’ny “IA” izany izy ireo. Tanjon’ity Oniversite tsy miankina ity ny hampahomby ny fampianarana ao aminy sy ny fanampiana ny fianaran’ireo tanora mpianatra amin’ny alalan’ny fampiasana ny “IA”. Mahazo matoky araka izany ireo ray aman-dreny fa tsy hisy fiantraikany ratsy eo amin’ny fianaran’ireo tanora mpianatra ny fampiasana ny “IA” ao amin’ny Oniversite “GSI”, araka ny fanazavan’ny filoha tale jeneralin’ny Oniversite “GSI”, Randrianaivo Geremioh.

Pour mieux vous servir, l’AMP travaillera dans le respect de tout un chacun, dans la réalité des actualités et de ce qui nous entoure. L’objectivité sera notre mot d’ordre.