Misokatra avokoa ny toeram-pivarotana samihafa, mizotra ny fiara fitaterana isankarazany, mamoha varavarana tsikelikely ihany koa ny sekoly maro,… Tsy misy azo ilazana fa ao anatin’ny hamehana ara-pahasalamana ny firenena.
Herinandro eo dia hifarana indray ny didy fihibohana manaraka. Mbola mitombo isa anefa ireo olona voamarina fa mitondra ny tsimokaretina coronavirus.
Velom-panontaniana ny maro : mbola hitohy sa tsia ity fihibohana ity ? Andrasana izay ho fepetra ho raisin’ny Fitondram-panjakana.
Tsy mitsahatra ny fitangoronana
Ny hita aloha hatreto dia tsy foana ny fivorivoriana sy ny fitangoronana ary ny filaharana noho ny « vatsy tsinjo » sy ny « tosika fameno ». Betsaka ny olona mifamezivezy noho izany satria samy sahirana ka te-haka ny anjarany.
Herinandro vitsy lasa izay no nanao fanambarana ny antoko politika sasany fa tokony hisy fifampidinihana eto amin’ny firenena mba hiatrehana ny zava-misy ara-toekarena eto amin’ny firenena sy hamaritana ny laharam-pahamehana, kanefa tsy misy izany hatreto.
Tsy ampy ny fepetra
Tsy ampy ny fepetra amin’ny fanatanterahana ny hamehana ara-pahasalamana fa ny hamehana ara-tsosialy no mibahan-toerana.
Mivory manokana ny Governemanta fa tsy misy ny fanapahan-kevitra iarahana amin’ireo Parlemanta na fikambanana samihafa , kanefa tokony hisy ny hiadian-kevitra.
Lasa misy ny fanenjehin’ny Fitondrana ireo antoko sy olona tsy mitovy hevitra aminy na dia manana sosonkevitra mahomby aza.
Manome tsiny ny mpanao facebook ny Mpitondra sasany ary miaro fatratra ny Filoham-pirenena, kanefa any no mba hanehoany hevitra.
Tsy tokony homen-tsiny ny vahoaka
Tsy tokony hisy, noho izany, ny fanomezan-tsiny ny vahoaka, satria ny Mpitondra no mandrora mitsilany amin’ny famoahana ny vahoaka tsy hihiboka ao an-trano noho ny fiantsoana azy hilaha-bary sy haka fanampiana samihafa.
Raha akapoka dia tsy manana fomba fiady mahomby ny Fanjakana.
Noho izany, tsy ao anaty fihibohana isika eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Tsy fantatry ny olom-pirenena ny tian’ny Fanjakana atao. Tsy hita loatra ny fandraisana andraikitry ny Fitondrana Malagasy, satria tsy mba tahaka ny any ivelany.
Marina fa misy fiantraikany ara-toekarena eo amin’ny firenena manerana izao tontolo izao ity fihibohana ity na dia any amin’ireo firenena heverina ho matanjaka aza, kanefa manana paik’ady mahomby izy ireo.
Dia andrasana indray izay mety ho fanapahan-kevitra vaovao ho raisin’ny Fitondrana Malagasy.
