HETSIKA ARA-BAROTRA « FIA » SY « FIG » : Hanampiana ireo tantsaha sy ireo mpiantsehatra ara-tsakafo

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, ny 4 septambra 2025, teny amin’ny « CCI » Ivato, ny hetsika ara-barotra roa samihafa dia ny « Foire Internationale de l’Agriculture, de la pêche et de l’élevage » na ny « FIA » sy ny « Festival Internationale de la Gastronomie » na ny « FIG », izay karakarain’ny orinasa « Madavision ».

Tanjon’ny tompon’andraikitra mpikarakara amin’izao fampiharan-dalana ny hetsika anankiroa izao, ny hanolo-tanana ireo tantsaha mpamokatra mba hahitan’izy ireo lalam-barotra. Eo ihany koa ny hitondra anjara biriky amin’ireo karazana orinasa misy eto Madagasikara izay misehatra amin’ny fanamboarana sakafo sy ny manodidina izany. Ireo tantsaha mpamokatra izay vao avy nioty ireo vokatra ka mivarotra izany vaovao ka tonga dia afaka mividy izany vokatra vaovao izany eny am-potony avy hatrany ireo orinasa mpiantsehatra mila izany.

Afaka mifamelona tsara araka izany ny roa tonta satria mifampila. Io fiaraha-miasa io no fanambin’ny orinasa “Madavision” amin’ireo tantsaha mpamokatra sy ireo orinasa mila izany. Ny 80°/° amin’ny Malagasy izay tantsaha mpamokatra avokoa eto amintsika. Heverina araka izany fa izao fiarahan-dalan’ny hetsika “FIA” sy ny “FIG” izao dia tohana ho an’ireo tantsaha mpamokatra mba hoentina hanatsarana ny asa fiharian’izy ireo andavanandro. Entina ihany koa hanampiana ireo orinasa misehatra amin’ny fanamboarana sakafo sy ny tontolony. Vina apetraky ny orinasa “Madavision” izay tompon’andraikitra mpikarakara ity hetsika ara-barotra ity ny hampiakarana amin’ny ankapobeny ny toe-karem-pirenena. Ny andiany fahafito amin’ny « Foire Internationale de l’Agriculture, de la pêche et de l’élevage » na ny « FIA » ity tontosaina mandritry ny efatra andro ity.

Ny andiany voalohany amin’ny « Festival Internationale de la Gastronomie » na ny « FIG » kosa izao tanterahana izao. Mahatratra 350 ny isan’ireo Tranoheva mampiranty ny vokatra eny amin’ny CCI Ivato. Nisy ny famelabelaran-kevitra izay nandraisan’ireo tomponandraikitra samihafa anjara teny an-toerana, nandritry ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy. Nisy ny fihaonan’ny Ministry ny Fambolena sy ny Fiompiana, Hajarison François Sergio, tamin’ireo solontenan’ny tantsaha mpamokatra sy ny solontenan’ny sehatra tsy miankina.

Tanjona ny nihainoana ny hetahetan’izy ireo sy ny nijerena ny fomba hanatsarana hatrany ny fiaraha-miasa. Tonga nanotrona ity hetsika ara-barotra ity, ireo Ministra Tompon’andraikitra eo anivon’ny governemanta.Ireo Tompon’andraiki-panjakana ambony. Ireo mpiantsehatra sy mpikarakara maro isan-tsokajiny. Ny 7 septembra 2025 no hifarana ny “FIA” sy ny “FIG”, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra mpikarakaka avy ao amin’ny orinasa « Madavision », Andrianasolo Hery.

Vous aimerez aussi