Mbola misy ny tsindrintsindry amin’ny endriny samihafa, izay mahasarotra ny asa. Manentana ny mpanao gazety hatrany haneho firaisakina ! Anisan’ny fanambarana nataon’ny Filohan’ny Holafitry ny Mpanao gazety, Gérard Rakotonirina izany, raha niarahaba ny namana mpanao gazety rehetra manerana an’i Madagasikara izy, noho ny fahatrarana ity taona 2020 ity.
Nirary ny rehetra ho feno fiadanam-po eo am-panatanterahana ny asa, amin’ity taona ity koa izy ary nandrisika ny rehetra hiezaka ho matihanina hatrany.
Nanentana ny mpanao gazety hatrany ny Filohany mba haneho firaisankina, satria ao anatin’izany no afahana mifampiaro.
Notsiahiviny fa tompon’andraikitra ao anatin’ny fiaraha-monina ny mpanao gazety amin’ny vaovao havoakan’ny tsirairay avy. Matoky ny fahaiza-manaon’ny mpanao gazety aho, hoy izy, ao anatin’izany.
Nanterina fa miandry antsika ny famoahana ny karatra maha-matihanina, amin’ity taona ity. Ary aorian’izany ny fifidianana ny Filohan’ny Holafitra sy ny biraony, izay tsy mbola fantatra ny hanatanterahana azy.
